- Publicité -
mardi, octobre 28, 2025
AccueilFaits-DiversVohipeno sy Ambanja : Tovolahy roa maty tsy tra-drano

Vohipeno sy Ambanja : Tovolahy roa maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana  roa namoizana ain’olona indray, ny alakamisy teo, tany amin’ny distrikan’i Vohipeno, Faritra Vatovavy Fitovinany sy tany Ambanja (DIANA). Tovolahy roa no indray maty tsy tra-drano niparitaka atidoha nohitsahin’ny fiara tamin’io andro io. Zazalahy iray 15 taona namoy ny ainy ka maty tsy nialana nenina akory nitsirara nihosin-drà teo an’arabe, tany Beronono, 18 km tsy hiditra ny tanànan’ i Vohipeno, amin’ny lalam-pirenena faha-12 iny, tokony ho tamin’ny 6 ora. Nitsoaka nirifatra nandositra niaraka tamin’ny fiara nentiny ilay mpamily nahavanon-doza, izay mbola karohina hatramin’izao. Fa tovolahy iray sahabo ho 18 taona eo ho eo kosa, izay nijoro teo amoron-dalana, teo ambonin’ny moto nentiny nianjera tampoka no voahitsaka « tracteur » nandalo, ka rotika ny lohany ary nijininika eran’ny arabe ny rà, ny andron’ny alakamisy io, tamin’ny 4ora tolakandro, tany an-tampon-tanànan’Ambanja. Samy efa natolotra ny fianakaviany avy ny razana taorian’ny fitsirihana loza nataon’ny mpitandro filaminana, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici