Zava-doza ! Mahatratra hatrany amin’ny trano 700 tafo eo ho eo no levon’ny afo tanteraka tao amin’ny kaominina Nato, distrika Vohipeno ny talata lasa teo, araka ny fampitam-baovao nalefana olom-boafidy tany an-toerana. Fianakaviana an’arivony no tsy manan-kialofana vokatr’izay.
Ny tanana iray manontolo mihitsy no levon’ny afo tanteraka, raha ny loharanom-baovao azo hatrany. Tokony ho tamin’ny roa ora latsaka teo no nitranga ny loza. Afo izay niainga avy tamina trano falafa iray teo an-toerana. Koa satria nanampy tosika tamin’ny fahavoazana ny toetr’andro tany an-toerana dia vetivety teo dia niparitaka tsy nisy toa izany ny afo. Saika trano hazo rahateo moa ny any. Ary na dia teo aza ny fiezahan’ireo mponina tamin’ny famonoana ny afo dia very an-jambany fotsiny izany. Hany sisa nataon’izy ireo dia nitazam-potsiny ireto fananana nohariana tao anatin’ny taona maro, potika sy levona tao anatin’ny fotoana vitsy. Raha ny fanazavàna azo hatrany dia vokatry ny « court-circuit » nateraka « panneau solaire » iray efa simba no nahatonga ny loza. Mazava ho azy moa fa mipetraka any ambony tafo izy ireny, kanefa ilay tafo eto dia ravin-kazo maina, hany ka nanamora ny firehetana. Tonga nanampy ireo fokonolona tany an-toerana moa ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony.
Teo anatrehan’ny zava-nisy dia nisy ny antso avo nataon’ireo tompon’andraikim-panjakana tany an-toerana sy ireo olom-boafidy mba hitondràna izay voatsirambin’ny tanana ho an’ireo mponina ao Nato ireto. Araka ny hita ao anatin’ny kaonty FB ny solombavam-bahoaka voafidy tao Vohipeno, Atoa Tsabotokay Honoré, dia afaka mandrotsaka izay foy na lamba na kojakoja hafa ho an’ireto fianakaviana an’arivony tra-boina izay terem-panahy amin’ny alalan’ilay hetsika « Antso vonjy ho an’i Nato ». « Afaka mandray izany aho raha eto Antananarivo ka ato Tsimbazaza misy olona afaka mandray izany. Atao anaty mangarahara izany. Filan-kevitra 0343380373. Azo alefa Mvola ihany koa »
m.L