Ramatoa lehibe sy jiolahy iray no nidoboka am-poja miandry fitsarana azy rehefa niakatra fampanoavana omaly alatsinainy teto Antsirabe. Tompon’antoka tamina fanafihana tokantranona mpivarotra iray tao Vohitrarivo izy ireo. Mbola misy namany hafa karohina fatratra amin’izao. Tamin’ny 11 jolay no nitragan’ny fanafihana. Jiolahy dimy lahy tsy misaron-tava mirongo fiadiana no nanafika tao amina tokantrano iray. Nanao amboletra niditra ny trano ireo jiolahy rehefa nopoiriny ny varavarana. Avy hatrany dia ny vola no notakiany ary ireo sasany nandroaka ny entana azo nobataina. Saika noraofin’ireo jioalahya avokoa rehefa entana sy ny finday ary ny vola maty tamin’io andro io. Ankoatra an’izay dia mbola naolan’ireo jiolahy ilay renim-pianakaviana tao amin’io trano io. Nanao fitarainana ny fianakaviana voatafika ka ny ampitson’iny ihany dia nidina nanao fisafoana teny ny mpitandro ny filaminana. Nifanena tamina andiana olana maromaro ireto farany ka vao nahatazana ny mpitandro filaminana ireo andian’olona ireo dia nandositra. Nifanenjahana noho izany ireo olona ireo ka iray no voasamboatra. Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fanafihana io voasambotra izo, niaky izany rahateo izy. Nanoro ny namany niray tendro taminy izy saingy tsy nisy tratra intsony. Natao ny fisavana ny tranony ka mbola tratra tao ny ankamaroan’ny entana vao avy nangalarina. Nosamborina koa noho izany ny ilay ramato nampiantrano sy nanafina ireo entana halatra ireo. ity farany dia vadin’ny iray amin’ireo jiolahy.
Andry N.