Tokatrano traboina miisa 498 tao Amboasary Atsimo sy 650 ao Ambovombe Androy ary 385 ao amin’ny fokontany Ambinanibe (Taolagnaro) noho ny tondradrano nentin’ny rivodoza Jude no nisitraka tantsoroka avy amin’ny fitondrampanjakana. Lamba firakotra, vary sy menaka ary voamaina miampy ireo fitaovana fidiovana sy fanadiovana toy ny zinga, siô, savony ho fitsinjovana ny fahasalamana. Tonga tao Ambovombe sy Amboasary ary Taolagnaro, namangy sy nankahery ary nitondra ireo tohana isankarazany ireo ny Minisitry ny Atitany sy ny Minisitry ny Fizahantany ary ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Aurélie Razafinjato izay misolo tena ny Governemanta. Nanotrona izany ireo Tomponandraikitra olomboafidy sy olomboatendry avy ao amin’ny Faritra Anosy sy Androy. Ho fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ho fampizakantena dia nentanina ireo vehivavy anaty fikambanana mba hanomana ny tetikasam-pihariana ka ny fitondrampanjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Mponina no hitondra tantsoroka ho amin’ny fanatanterahana izany.
Narindra Rakotobe