- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversVoina navelan’ny rivodoza : Am-perin’asa sahady hanarina ny simba ny tafika malagasy...

Voina navelan’ny rivodoza : Am-perin’asa sahady hanarina ny simba ny tafika malagasy  

Taorinan’ny fandalovana ny rivodoza Batsirai teto Madagasikara ka naharavana tanana, trano maro ary namoizana ny ain’ireo mpiray tanindrazana dia nisy ny fididinana ifotony nataon’ireo manam-pahefana ambony avy eo anivon’ny Tafika Malagasy teo ambany fitariahan’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard tany amin’ireo toerana voa mafy tamin’ity loza voajanahary ity. Araka ny hita dia namela takaitra tanteraka tany amin’ireo faritra maro manerana ny Nosy ity rivodoza ity ary azo lazaina fa maro ireo traboina sy ny fahasimbana naterak’izany. Manoloana izay dia hita fa tsy mikely soroka ny Tafika Malagasy manampy ny mpiray Tanindrazana ao anatin’izao zava-mitranga izao. Mandray anjara amin’ny famonjena sy fanavotana sy fanampiana ny mpiara-belona hatrany izy ireo. Ohatra mivaingana tamin’izany ny asa nataon’ireo dokotera miaramila izay mijery sy manaraka ny fahasalaman’ireo traboina, ny avy ao amin’ny Vondrona Vonjy Voina na CPC izay mitady sy mamoaka ireo olona voatototrin’ny tany tamin’ny fianjerany foto-drafitr’asa na fanavotana ireo olona amin’ny ranobe. Ireo Fari-piarovana sy Fandriampahalemana (ZDS) miisa 10 misy eto amin’ny firenena kosa dia mandary andraikitra amin’ny fanalana  sy fanapahana ireo hazo atahorana hianjera sy misakan-dalana ary manarina izay azo harenina. Hita izany amin’ny fiarahana misahala sy fifanomezan-tanana amin’ny vahoaka amin’ny fanarenana tsikelikely ny tanànan’ny Mananjary, Vohipeno, Ikongo, Morondava ary Farafangana ahafahan’ny mponina ao an-toerana miharina. Toy izany ihany koa ny ao Fianarantsoa. Fantatra moa ankehitriny fa efa vonona tanterqka hiroso amin’ny asa fanarenana ny simba rehetra navelan’iny loza ny Tafika Malagasy, Ny fnqatanterahana izay anefa dia minkina amin’ny fahaiza-manao sy ny fitaovana eo am-pelatanana ka hiantsoana sahady ny fanampian’ny Fitondrana mahefa.

T.M

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici