- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVokatry ny andro ratsy : Fiara iray lasan’ny rano, olona roa tsy hita...

Vokatry ny andro ratsy : Fiara iray lasan’ny rano, olona roa tsy hita popoka

Teo am-piampitana ity tetezana ity ilay fiara no sendra ilay ranotrambo.

Tra-doza noho ny rano-trambo, naterak’ilay andro ny ratsy ny fiara tsy mataho-dalana iray, avy any Antsiranana, omaly. Simba tanteraka ilay fiara nentin’ny rano, mbola misy olona roa tao anatiny kosa no karohina fatratra hatramin’ny omaly hariva.

Efa nitondra rotsak’orana sy rivotra mahery any amin’iny tapany Avaratry ny nosy tokoa ilay rivo-doza Eloise, na dia mbola tsy tafiditra an-tanety aza omaly. Tao anatin’izay anefa dia efa nisy sahady ireo niharam-boina araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Tafika. « Lasan’ny ranotrambo tao Antomboka ny fiarakodia tsy matahodalana iray nitondra olona efatra avy any Antsiranana hiazo an’Andranovondronana. Naratra ny olona roa ary ny roa hafa kosa dia tsy hita ary mbola karohina », hoy ny fampitam-baovao nalefan’izy ireo. Ireto farany moa, izay nanetsika avy hatrany ireo miaramila tany an-toerana amin’ny famonjena ireo tra-doza. Nidina teny an-toerana torak’izany ihany koa ireo tompon’andraikim-panjakana isanisany nifanome tanana tamin’izany famonjena izany. Avotra soa aman-tsara vokatr’izay ny olona roa, na dia naratra mafy tao anatin’ny fisokirana azy ireo aza. Misy olona roa hafa kosa no nentin’ny rano ary tsy mbola hita hatramin’ny omaly. Ilay fiara kosa, « voajono » tao anaty rano ihany, potika tsy nisy noraisina, rehefa nampiasàna fitaovana lehibe teny an-toerana. Mbola mitohy ny fikarohana any an-toerana. . « Manentana ny rehetra ho mailo hatrany amin’ny loza mety ateraky ny fiakaran’ny rano amin’ireo faritra handalovan’ny rivodoza ny eto anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena hisorohana ny trangan-javatra toy izao » hoy ny vaovao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici