Ankoatra ireo tra-pahavoazana, tsy manan-kialofana ary nidom-pahoriana tampoka tamin’iny hain-trano goavana tetsy Tsarahonena iny dia niteraka fahavoazana hafa, ho an’ireo faritra manodidina teny an-toerana ihany koa izany loza izany. Taorian’ny nitrangan’iny loza iny mantsy dia voatery notapahan’ny orinasa Jirama ny famatsiana herinaratra teny an-toerana, « ho fisorohana ny fihitarana sy ny loza mety hitranga », izay fepetra tsy maintsy noraisina ihany amin’ny loza tahak’izao. Ny zava-nisy anefa, dia tsy ny teny an-toerana ihany fa hatramin’ireo faritra maro manodidina, manomboka Andraisoro, Ampanotokana, Ambatomaro, tonga hatreny Andralanitra ary mbola nipaka hatrany Ambohimailala sy Tsarafara Sabotsy Namehana, distrikan’Avaradrano iny. Ho an’ny teny Ambatomaro manokana dia zara raha nisy adim-pamantaranandro roa na telo teo no tena nandeha ara-dalana ny jiro, raha ny omaly, izay niteraka fatiantoka goavana ho an’ireo mponina izay miankina tanteraka amin’izany herinaratra izany.
Tsy ny jiro ihany anefa fa ny resaka rano ihany koa. Ity farany izay niteraka olana tanteraka tamin’ny fifehezana sy ny famonoana ny afo teny an-toerana, noho ny hakelin’ny « pression ». Voatery naka tao amin’ireny sinibe manga famatsiana rano madio ho an’ny mponina ireny araka izany mba entina hamonoana ny afo. Vokany, ritra tanteraka izany, tamin’io fotoana io, izay ahiana mety hiteraka zavatra hafa indray raha tsy misy vahaolana haingana raisin’ireo tompon’andraikitra. Ity famatsian-drano mantsy ity, izay efa olana mandava-taona eny an-toerana, noho ny hoe tsy fahatafidiran’ireo fiaraben’ny Jirama mpamatsy rano amin’iny faritra iny, raha ny angom-baovao azo hatrany.
m.L