- Publicité -
mercredi, juillet 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVokatry ny rivodoza : Trano dimy no nirodana teto an-drenivohitra

Vokatry ny rivodoza : Trano dimy no nirodana teto an-drenivohitra

Dimy ireo trano nirodana, fito kosa ireo efa nivava ka efa nangalàna fepetra manokana, olona roa no naratra vokatr’izay, teny Nanisàna sy Ambanidia. Izay no vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Enawo teto an-drenivohitra, araka ny tatitra azonay avy tamin’ny mpamonjy voina, omaly hatramin’ny valo ora maraina. Nisy efatra kosa ireo hazo nianjera, nisy ny nianjera tamin’ny tariby mpitondra herinaratra, nisy tamin’ny fiara toy ny tetsy Mahamasina. Efatra ihany koa ireo hazo mitady hianjera sy nandraisana fepetra manokana. Andrin-jiron’ny Jirama roa kosa no lavo teny amin’iny faritra Ambohimanambola sy teny Itaosy iny, vokatry ny rivotra hatrany.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici