Nisafidy ny tao fokontany Ambodisaina kaominina Toamasina suburbaine distrikan’i Toamasina II, ny vokovoko mena atsinanana tamin’ny fanaovana andrana (SIMEX 2021) momba ny tandidon-doza sy ny loza. Nandritra izany dia nampiseho ny fahaiza-manaony ireo vokovoko mena isaky ny distrika fito, Toamasina I – Toamasina II – Brickaville – Vatomandry – Antanambao Manampotsy – Mahanoro – ary Marolambo, izay nanana solon-tena tamin’izany. Nanomboka tamin’ny filazana ny toetr’andro momba ny rivo-doza ny andrana, izay nitohy tamin’ny loko efatra milaza ireo loza, ary ny fanampiana samy hafa ho an’ireo tra-boina. Nomarihan’ny filohan’ny vokovoko mena atsinanana Atoa Jerole Ferdinand, fa « tena ilaina ny andrana tahaka izao mba ahafana manitsy sy mitsikera ireo mpilatsaka an-tsitra-po eo anivon’ny vokovoko mena miisa 1.000 mahery eto anivon’ny faritra atsinanana » ; nomarihany hatrany fa « fanazarana ny tokony atao ao anatin’ny tandin-doza sy loza eo anivon’ireo mpilatsaka an-tsitra-pon’ny vokovoko mena atsinanana ny tahaka izao ». Fiaraha-miasa teo anivon’ny vondrona eropeana sy ny vokovoko mena frantsay no nahatontosana izany andrana natao tao amin’ny fokontany Ambodisaina izany, izay manana « carreaux » miisa 53. Afa-po tamin’ilay andrana momba tandidon-doza sy loza natao ny vokovoko mena Malagasy izay nanana solon-tena nandritra izany andrana izany, toraka izany koa ny BNGRC izay mpiara-miasa akaiky amin’izy ireo nahita ny talen’izany eto Atsinanana Atoa Razafindraibe Raymond Basile.
Malala Didier