- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversVola 500 ariary, mora miendaka ny « plastika » : Atao amin’ny...

Vola 500 ariary, mora miendaka ny « plastika » : Atao amin’ny lambahoany ny 10 000 ariary

Na eny ambony fiara fitaterana, na eny an-tsena, tsy misy mandray intsony ny vola misy rovitra kely, indrindra ireo natambatra tamin’ny “scotch”.

Mora simba, hono, ny vola malagasy ary amin’izao fotoana izao, ny mpanjifa rehetra dia tsy misy mety mandray vola rovitra intsony, na ny eny an-tsena na ny eny ambony fiara fitaterana. Toa manosika ny rehetra hitandrina izany. Tato ho ato anefa, rehefa nisy vola 500 ariary sy 2 000 ariary nasiana irony plasika dia sahirana indray ny rehetra ary tao aza ireo tany amin’ny faritra maro nihevitra fa sandoka ireny vola ireny. Nisy anefa ny fanazavana nentin’ny tompon’andrikitra naely tamin’ny haino aman-jery nanamafy fa vola tena izy tokoa ireny. Izany no natao dia mba hisorohana ny fahasimbana vetivety. Amin’izao fotoana izao, misy ny mahita fa toa mora miendaka ilay fonony plastika amin’ny 500 ariary. Araka izany, tsy mahatanty ny fikirakirana azy ataon’ny rehetra ilay ravim-bola ka azony endahina mora foana. Volana vitsy lasa koa izay, betsaka ireo niteny ary tsy nety nandray ireny vola ireny sady nilaza fa sandoka ilay izy. Rehefa nitondra fanazavana ny tompon’andraikitra dia natoky ny mpanjifa. Izoa anefa, nisy ny nilaza fa miendaka mora foana ilay aron’ny vola.

Lambahoany. Ny mandehandeha mahita raha, hoy ny fiteny fantatra. Nahatsikaritra koa ny olona fa misy amin’izao fotoana izao lambahoany namboarina ary sarina vola 10 000 ariary no narafitra nameno izany. Mirindra tsara ilay lamba feno sarina vola. Ho an’ny rehetra dia mahafinaritra tokoa endrik’ilay lamba. Farafaharatsiny, mitafy volabe ny tena raha manana azy. Ho an’ireo izay tsy mahafantatra, azo atao ve zavatra sahala amin’izany? Ny mahavariana, hoy ny olona iray nijery ilay lamba, hay mora araka izany ny manao dika mitovy an’ireo volabe eto amintsika. Tokony tsy ho gaga ny olona raha misy ny manaparitaka vola sandoka etsy sy eroa. Vola izay tsy hay avahana amin’ny tena izy raha atao indray mijery.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser