Taorian’ny fiparitahanan’ireo sms sandoka, izay nilaza fa nahazo tamin’ny fisarihana ny laharana iray ary nahazo fiara hiaka farany dia fomba vaovao indray no hampiasain’ireo mpisoloky : vola an-tapitrisany, tonga tampoka ao anaty finday. Raha tsy mijery tsara ilay tompon’ny laharana dia tena voafitaka tokoa satria hafatra mitovy dika tanteraka amin’ireo hafatra alefan’ireo tambajotran-tserasera mahakasika ny fikirakirana vola amin’ny finday izany hafatra izany. Mazava ho azy, aorian’ny fahatongavan’io hafatra io dia misy olona miantso avy hatrany, milaza fa diso laharana ilay vola ka lasa tany amin’io laharana io. Mandeha amin’izay ny fampandriana adrisa sy ny abobo isan-karazany eo fa hoe volan’ny terantany vahiny iray io na hoe volan’ny orinasa iray kanefa raha mifanaraka dia azo alain’ny olona ilay vola saingy mba misy ampahany kely omena ilay mpandefa. Ampahany manodidina ny efatra hetsy ariary eo monja, haverina alefa any amin’ilay mpandefa, raha toa ka vola manodidina ny efatra tapitrisa ariary no volaza fa tonga any amin’ilay olona. Ho an’ireo olona mijery maika sy liam-bola tokoa dia bizina mandeha ilay izy ka dia rafitra mandefa ilay vola notakian’ilay mpisoloky. Amin’ny fotoana hangalana ilay vola anefa vao tonga saina kanefa efa tara loatra. Efa maro tokoa ny olona lasibatr’ireo mpanao ratsy amin’izay paikady ratsy izany. Ary tsy olo-tsotra ihany anefa fa na hatramin’ireo mpisehatra amin’ity fangalana sy fametrahana vola amin’ny finday ity (cash point). Tetik’ady hafa indray no hampiasain’izy ireo amin’izany, araka ny fitantaran’ireo olona saika tratr’izy ireo. « Ao ireo mody milaza fa haka vola misimisy (mety hoe aman’hetsiny maromaro). Tena maka vola amin’ny fomba mahazatra tokoa izy ireo saingy vola ambany lavitra noho ilay tenaa voalaza fa alainy no soratany. Milaza izy avy eo fa diso fanoratra fa averiny amin’izay ilay vola tena ho alainy. Hafatra avy amin’ny laharana tsotra maka endrika mitovy amin’ilay hafatra teo aloha nalefan’ny tambajotram-pifandraisana anefa no tonga any amin’ilay cash point avy eo. Raha tsy mijery tsara sy manaiky harebirebiny dia tena atao mitondra faisana tokoa ». Efa tambajotra iray mihitsy angamba izy ireo ary manana ny laharana iraisan’izy ireo. Ny mahagaga mantsy dia saika laharana mitovy, hafatra mitovy avokoa no saika azon’ireo efa lasibatra. Marihana fa efa nisy voasambotra ny sasany tamin’ireto mpisoloky ireto ary efa nisinisy ihany ny nidoboka am-ponja saingy toa ny eo tratra, ny hafa manohy ny ataony ihany. Hafatr’ireo tompon’andraikitry ny filaminana moa ny hoe mba mailo hatrany fa tsy misy olona hanome vola maimaim-poana izany ary tsara raha hamarinina foana ny toe-bola ao anaty finday alohan’ny rehetra.
m.L