- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversVola sandoka eto Toamasina : Miparitaka indray ny vola sandoka 10.000 ariary

Vola sandoka eto Toamasina : Miparitaka indray ny vola sandoka 10.000 ariary

Eny amin’ireo mpivarotra lamba “fripperie” indray izao no manaparitaka ny vola sandoka 10.000 ariary ireo mpanao sy mpanaparitaka izany. Mazana dia mandritra ilay ataon’ny olona hoe “vaky balle” iny izy ireo no mampiasa ireto vola sandoka ka tsy maharaka manamarina izany ireo mpivarotra, satria sady manara-maso ny lamba amidiny sy ifandrombahan’ny olona ihany koa. Ny talata hariva teo izao dia mpivarotra “fripperie” iray ao Ambolomadinika no tratran’ny vola sandoka 200.000 ariary amin’ny 10.000 ariary; izay tsy tsikaritra raha tsy teo am-panisana ny vola tonga tany an-trano izy ireo. Sarotra rahateo ny manavaka ny tena izy sy ny sandoka noho ny fitoviana be amin’ireo vola roa ireo. Ny laharan’ny vola ihany koa tsy misy fitoviana mihitsy fa tena samy hafa tahaka ny vola tena izy ireny. Efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha, satria misy olona ahian’ireto mpivarotra “fripperie” tratran’ny vola sandoka ireto.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici