Misy ny olona te hanankarena tampoka tsy ampy fitahin’ny sasany mora foana. Efa voa vao manenina
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boroborintany faha-5 ny lehilahy iray mialaza fa mahay mampitombo vola amin’ny fahaizany manokana. Maro ny tetika ampiasainy amin’izany. Tamin’ny alatsinainy teo izy, niantso olona tamin’ny telefaona ary nilaza fa hainy ny mampitombo ny vola 100 tapitrisa ho lasa 200 tapitrisa. Mailo ilay olona nantsoiny ka avy hatrany dia nilaza ny vaovao tany amin’ny pôlisy. Raha vao naharay izany filazana izany ireo mpitandro filaminana dia nandeha teny amin’ny hotely iray eny Anosibe. Tao mantsy no lazain’ity mpisoloky fa mipetraka izy. Tsy afaka niala ny anao lahy fa dia noraisina fotsiny teo. Tamin’ny fanadihadiana azy no nahalalana fa any Ambalavao Fianarantsoa izy no monina. Tonga eto an-drenivohitra hanao ny asa fisolokiana. 39 taona ity lehilahy ity.
Tamin’ny fotoana nahatratrarana azy dia hita tao koa ny fitaovana maro ampiasainy. Tsotra ny fomba fanaony. Manomana taratasy mainty maro be izy ary ampitoviany amin’ny vola 10 000 ariary sy 5 000 ariary ny habeny. Vola tena izy kosa no hosorany ireny « encre » mainty ireny. Rehefa handresilahatra ny olona izy dia io tena vola miloko mainty io no avoakany ary maka vovon-dandihazo izy ary asiany « disolvant », kosehiny ilay loko mainty ary mivoaka ny loko sy endrik’ilay vola tena izy. Roboka ny olona ka manome volabe mba hampitomboina. Raisiny ny vola ary ilay taratasy mainty marobe no takalony. Manafatra mafy izy fa rehefa amin’ny alina vao azo tanterahana ny fanovana tiana atao. Amin’izay fotoana izay ilay olona vao mahatsapa voafitaka ,saingy efa nifindra lasy ity farany ka tsy hita intsony.
Tamin’ny taona 2006 izy no nanomboka nanao ny asa ratsiny ary maro be ny olona voasolokiny tamin’izany. Tratra niaraka taminy ny fitaovana maro fampiasany hisolokiana olona toy ny taratasy miloko mainty miendrika vola 10 000 Fmg sy 5 000 ariary efatra fonosana lehibe, vovo roa fonosana lehibe, arotànana roa, tapimbava iray ary vovoka miloko fotsy tapaky ny baoritra.
Omaly maraina no natolotra ny fitsarana ity mpisoloky ity.
r.s.