
Mpividy volamena no asan’izy mivady. Raha ny marina anefa mpanadio vola maloto dia ny vola sandoka izany. Izany hoe haparitaka any amin’ny volamena ireo vola sandoka ary miverina ho volamena avy eo. Azo an-tsaina amin’izany ilay hafetsena amin’ny ratsy teo amin’izy roa. Saingy sarona ihany izany rehefa nisy nampandre tsimoramora ny zandary momba ity asaratsy ity. Tao amin’ny fokontany Andranovakoana Marolambo, distrikan’ny Vatomandry no nisehoan’izany. Nahazo taratasy hahafahana misava trano tamin’ny fitsaràna ny mpitandro ny filaminana ary nanatontosa izany. Inona tokoa fa sarona tao ny vola sandoka izay mitotaly 9,6 tapitrisa ariary. Nogiazana avy hatrany izany lelavola izany mba hatao porofo eny amin’ny fitsaràna. Ireo mpivady kosa dia mbola karohina rehefa tsy tratra tao, nisy ny nilaza fa tafatsoaka mialohan’ny nahatongavan’ny mpitandro ny filaminana izy ireo. Any ambanivohitra lavitra hatrany no tena fiparitahan’ireo vola sandoka. Any no mamotsy vola ny olon-dratsy. Ilaina hamafisina ny fampahafantarana momba ny vola tena izy sy ny marika manokana hamantarana izany. Ny olana mantsy, ankoatry ny famotsiam-bola izay misy, dia mety ny olona izay nandray izay ary mety ho tsy manan-tsiny indray no voasambotra amin’ny tsy helony. Ny olon-dratsy indray raha tsy azo dia sady mahazo tombony no miriaria fotsiny kanefa fanetriben’ny toe-karenam-pirenena.
D.R