- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversVola sandoka : Olona telo nidoboka am-ponja omaly

Vola sandoka : Olona telo nidoboka am-ponja omaly

Vola saika harotsaka teo anivon’ny biraon’ny mpampindram-bola madinika iray no nahitana ireo vola sandoka. Nampandre ny zandary avy hatrany ny mpiasa tao ary ireo no nanatontosa ny fisamborana. Nanoro ny olona izay nahazoany ny vola io olona io ka isan’izany ny rafozany. Dia nitohy hatrany ny fanadihadiana izay tonga hatrany amin’ny mpivaro-kena. Olona telo no voarohirohy tao anatin’izany ary nidoboka am-ponja rehefa natolotra ny fampanoavana, omaly. Ny fampiasana milina fijirihina vola no tena nanampy betsaka tamin’ny fahitàna ireo vola sandoka. Efa misy ny fiaraha-miasan’ny orinasa amin’ny mpitandro ny filaminana raha mitranga izany. Endrika fanadiovam-bola rahateo ny fametrahana vola maloto (sandoka) eny anivon’ny banky. Isan’ny handrasan’ny maro ny mba hahatrarana tanteraka ny niavian’ny vola, izany hoe ny misy ireo milina fanaovana izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici