- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVolabe very tao amina banky : Nadoboka eny Tsiafahy ilay mpiasa nangalatra

Volabe very tao amina banky : Nadoboka eny Tsiafahy ilay mpiasa nangalatra

Omaly efa somary alina ihany, vao vita ny fakàna am-bavany an’ilay mpiasan’ny banky, nangalatra volabe tao amin’ny orinasa niasany. Araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana, dia nadoboka eny Tsiafahy ity farany, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Fangalaram-bola amin’ny mpampiasa no vesatra anenjehana ity mpiasan’ny banky ity raha ny fantatra hatrany. Tsiahivina fa ny alatsinainy lasa teo izy no efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, saingy noho ny maha-goavana ny raharaha dia notohizana omaly izany fakàna am-bavany azy izany. Ny zoma teo moa ity farany no nitolo-tena teny anivon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, niaraka tamin’ny mpisolo vava azy rehefa tsy hita tany nanjavonana efa ho herinandro vitsivitsy, taorian’ny nakàny ireo vola amina miliara maromaro tao amin’ilay banky niasany. Marihana, araka ny fiarovan-tenany, fa ho valifatiny amin’ny tsindry izay ataon’ny mpampiasa azy no nangalarany an’ireo volabe ireo. Ho hita manaraka eo araka izany ny ho tohiny amin’ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici