- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversVolamena 4 kilao : Nanjavona tao Mahamasina, tratra tany Mahajanga

Volamena 4 kilao : Nanjavona tao Mahamasina, tratra tany Mahajanga

Ny alakamisy 28 aogositra lasa teo no tratra tao an-drenivohitr’i Boina, ny telo lahy voalaza fa nangalatra volamena, milanja 4kg latsaka, tao Mahamasina. Volamena izay voalaza fa ana Karàna iray mipetraka eny an-toerana. Araka ny vaovao voaray dia mpiambina tao amin’io tanàna iray taty an-drenivohitra io ireto telo lahy ireto ary efa maty paika ny fangalàrana. Raha vao azony mantsy io harembe io dia nitsoaka namonjy ny toeram-ponenany, izay ao Andranomamy, distrika Mahajanga, izy ireo. Nametraka fitoriana tany an-toerana ity teratany vahiny, tompon’ilay volamena, ity ary dia natao ny fikarohana. Tamin’izany no nahazoana an’ireo olona ireo. Araka ny fantatra dia ankevitry ny efa namidin-dry ry zalahy ny antsaky ny volamena, satria dia nahatratrarana vola mitentina valo tapitrisa ariary ny roa tamin’izy telolahy, miaraka amin’ny ambim-bolamena 2kg mahery kely. Raha ny fantatra hatrany dia mbola nisy olona iray tadiavina hatramin’izao, isan’ireo niray tsikombakomba tamin’izy telolahy ireto, tamin’ity halatra harena sarobidy ity. Nidina tany an-toerana ireo ny mpitandro filaminana taty an-drenivohitra, niaraka tamin’ilay teratany karàna. Naverina tamin’ity farany ireo ambina vato sarobidy, niaraka tamin’ireo vola, tratra tany amin’ireo mpangalatra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser