- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversVolamena teny Ivato : Naterina eny amin’ny banky foibe

Volamena teny Ivato : Naterina eny amin’ny banky foibe

Raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia omaly no naterina teny amin’ny banky foibe ireo volamena izay sarona tamin’ny karàna vavy roa saika hanondrana an-tsokosoko an’izany any amin’ny nosy Maurice. Niara-nanao sonia ny fitànana an-tsoratra ny sampandraharaham-panjakana rehetra izay miasa amin’ny fiarovana ny seranam-piaramanidina : ladoany, zandary, polisy. Izay rahateo ny fepetra takiana rehefa misy ny fanagiazana harem-pirenena izay saika haondrana an-tsokosoko toa ireny. Momba iny raharaha izay niteraka resa-be iny dia mbola fanontaniana mipetraka hatrany ny amin’ny tsy nahitàn’ny fitaovana fitsikilovana ireo volamena tany anaty « faritra arovana » an’ireo vehivavy. Betsaka ny mikaikaika fa mafy loatra ny fisavàna eo Ivato ary betsaka ihany koa ny mitaraina fa be loatra koa ny « manotra », indrindra rehefa tonga avy any an-dafy ny mpandeha. Izao anefa toa mivoaka mora fotsiny eo amin’ny fitiliana sy ny fisavana ara-batana rehetra ny volamena. Raha tsy ny zandary efa tany amin’ny araben’ny fiaramanidina tsy nahatsikaritra ny fanondranana saika hatao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici