Raha ny tokony ho izy dia isaky ny fiatombohan’ny taona vaovao ny famoriana ireo kaompanian’ny zandary ato amin’ny faritra Atsinanana izay miisa telo, saingy vokatry ny fihibohana sy ny coranavirus mamely, ka nanidina ny faritra Atsinanana, dia izao vao natao izany. Nitarika izany ny komandin’ny vondrompileovana Atsinanana, Lt Kly Ranaivoarison Théodule, izay natao tao amin’ny efitrano fivorian’ny seranan-tsambo.
Maromaro ireo lahadinika nifampitana tamin’izao famoriana ireo komandin’ny kaompanian’ny zandary Toamasiana izao, ka isan’izany ny hafatry ny lehiben’ny zandary samihafa, tahaka ny sekretera jeneralin’ny zandary, ny talen’ny zandary, ary ny komandan’ny faripiadidian’ny zandary Toamasina. Isan’ny nampitaina tamin’ireo komandan’ny kaompania ireto ny hoe: “tokony hifindra toerana amin’ireo olon-dratsy sy ny jiolahy amin’izay ny tahotra”. Eo koa ny fanajana ireo fepetra samihafa amin’ny maha-zandary sy amin’ny maha-olom-pirenena, ka tsy maintsy hajaina ohatra ny anakandriamaso ny fitsipi-pifehezana, ny lalàna,…ary ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona.
Mila fanovana koa ny fomba fiasa amin’izao mba hoentina manatsara sy manafaingana ny asa rehetra atao. Isan’izany ny fomba fanatanterahana ny azy sy ny fahaiza-manao samihafa. Misy noho izany ny tondrozotra vaovao hotanterahin’ny zandary rehetra. Mahatsapa mantsy izy ireo fa maro ny zandary maty am-perinasa noho izany zava-misy izany. Maro koa ireo zandary migadra noho ny tandrametaka sy ny tsy fahalalana amin’izy ireo. Vokatr’izany, maro ireo fangatahana ara-pitaovana sy fanamboaran-dalana nataon’ireo kaompania mba hahafahany miasa ara-dalàna. Ao ireo tsy maintsy ny fanjakana foibe no misahana izany, ao kosa ireo fiaraha-miasany amin’ireo rantsa-mangaika samihafa sy ny fiaraha-miasan’ny miankina sy ny tsy miankina ary ny fanjakana (3P).
Ankoatra izany, telo taona nitantanana ny vondrompileovana Atsinanana ny komandany, Lt Kly Ranaivoson Théodule, ka tao anatin’izay dia nahitana fihenana goavana ny fanaovan’ireo fikambanan-jiolahy ny fakana an-keriny ireo teratany vahiny teto Toamasina, izay tsy nisy tao anatin’izany telo taona izay. Toraka izany koa fanafihana mitam-piadiana goavana izay nisy ihany, fa tena nahalana teto Toamasina tao anatin’izay.
Malala Didier