- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversVondron-kery manokan’ny zandary Ivato : Tontosa ny famoahana ireo andiany roa avy...

Vondron-kery manokan’ny zandary Ivato : Tontosa ny famoahana ireo andiany roa avy amin’ny MIP sy TIP

Zandary 51 mianadahy no navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny vondron-kery manokana fampiofanana eo anivon’ny zandarimariam-pirenena na ny CFS (centre de formation specialisée ) tetsy Ivato omaly. Zandary izay niofana manokana nandritry ny efa-bolana ho amin’ny fiatrehana ireo olon-dratsy na mitana fitaovam-piadiana na tsia. Nizara roa izy ireo dia nisy ireo avy amin’ny andiany MIP na ny “moniteur d’intervention professionnelle”, izay hanofana sy hizara ny fahalalana norantovin’izy ireo ho an’ireo zandary amin’ny toby rehetra eto Madagasikara ary TIP na ny “techinicien d’intervention professionnelle” izay hanamafy sy hanatevin-daharaha ireo zandary ihany amin’ny fiatrehana sy hifehezana ireo olon-dratsy. Marihana fa tamin’ity andiany TIP ity no nahitàna vehivavy zandary miisa roa, izay sambany tanteraka ho an’ity vondron-kery manokana ity. Ny tanjona, hoy ny Kly Rakotonirina Lala Henri, Kaomandin’ny CFS etsy Ivato dia ny hampihena na tsy hampisy mihitsy ny faharatrana na fahafatesan’ireo zandary eny am-panaovana ny asany, indrindra ireo mifanehatra mivantana amin’ireo olon-dratsy. Manana ny fahaiza-manaony manokana ireto andiany vao nivoaka ireto ary noporofoin’izy ireo izany tamin’ny alalan’ny fampisehoana izany, nandritra ny lanonana famoahana azy ireo ara-pomba ofisialy omaly tetsy Ivato. Lanonana izay natrehan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny fibaikoan’ny zandarimariam-pirenena, notarihan’ny Kaomandin’ny zandariampirenena, ny Jly Andry Rakotondrazaka, ary notronin’ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici