- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVondron-tobim-paritry ny zandary « Imerina Central » : Jiolahy 96 voasambotra, 14...

Vondron-tobim-paritry ny zandary « Imerina Central » : Jiolahy 96 voasambotra, 14 maty, tao anatin’ny enim-bolana

Efa an-jatony latsaka any ho any ireo dahalo mitam-piadiana, mpaka an-keriny sy mpangalatra omby no voasambotra, ary am-polony mahery ireo maty. Ireo no vokatra azo teo anivon’ny vondron-tobim-paritry ny zandary « Imerina Central » (IC), eo ambany fibaikon’ny Kapiteny Andriambeloniaina Safidiniavo Toky, tao anatin’ny enin-bolana nandraisany izany andraikitra izany. Distrika telo no sahanin’izany vondron-tobim-paritra izany dia Manjakandriana, Andramasina ary Anjozorobe. Tany amin’ity distrika farany no azo heverina fa nahamay ny resaka tsy fandriam-pahalemana ary saika tany no nisian’ny fifandonana lava, nahafaty ireo dahalo sy fisamborana marobe.

Raha fintinina ireo antontan’isa tao anatin’izay enim-bolana izay, dia mitotaly toy izao : dahalo mpangalatra omby voasambotra sy nampidirina am-ponja miisa 30, mpanao fanafihana mitam-piadiana nitolo-batana, miisa telo, mpaka an-keriny any ambanivohitra miisa 55, ary mpanao sarintsarina fakàna an-keriny miisa valo. 14 isa kosa ireo olon-dratsy lavo, rehefa nifandrina tamin’ny zandary. Nisy tompon’andraiki-panjakana telo nadoboka am-ponja noho ny resaka famotsiana omby halatra. Maro be ihany ireo entana tsy ara-dalàna nogiazana, toy ny vato indostrialy, hazo ala na hazo sarobidy toy ny andramena sy ny voamboana, izay efa aman-taoniny maromaro. Manginy fotsiny ireo zava-mahadomelina toy ny rongony maina sarona sy ireo toaka voarara, izay nogiazana sy nodorana araka ny voalazan’ny lalàna.  Etsy andanin’izay, fantatra fa matotra ihany ny fiaraha-miasan’ity vondron-tobim-paritra ity amin’ireo sehatra tsy miankina sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy eny ifotony. Porofon’izay ireo fanomezana isan-karazany ho an’ireo tobim-parita sy zana-tobim-paritry ny zandary amin’ireo distrika iasany. Vao tsy ela tokoa mantsy, afak’omaly, no nahazo môtô « cross » miisa dimy ireo zandary any amin’iny distrik’Andramasina. Talohan’izay dia efa nisy ihany koa ny fanomezana môtô « cross » ho an’ny zandary miasa any amin’ny faritra Anjozorobe. Etsy andanin’izay ny fanaovazana ireo birao sy tobin’ny zandary any amin’ireo distrika ireo ary ny fanomezana kojakoja infôrmatika ho an’izany vondron-tobim-paritra IC izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici