- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversVondrona JTM : Navotsotra tao Toliara ilay mpanorina azy

Vondrona JTM : Navotsotra tao Toliara ilay mpanorina azy

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia efa navotsotra i Herman Rakotomalala, mpanorina ny vondrona « Jeunes Toliara Miray », na JTM. Natao ny fakàna am-bavany azy ary taorian’izay dia afaka nody ny lehilahy. Niravona tanteraka ny raharaha, raha araka ny fanambarany tamin’ireo olona maro izay tonga nitsena azy raha vao navotsotra ny tenany. Raha jerena amin’io teniny io dia naravona tanteraka izany ny fanenjehana ary azo sokajiana ho toy ny « dossier classé » ny raharaha. Raha ny fijerin’ny maro dia nandresy ny mpanara-dia ny vondrona amin’ny tambajotra facebook. Samy naneho ny tsy fankasitrahany avokoa izy ireo raha vao nandre fa nosamborina Herman Rakotomalala ary azo eritreretina fa nisy fiantraikany tamin’ny fanapahan-kevitry ny manam-pahefana tao an-toerana izany, ireo farany izay nihemotra avy hatrany raha vao nahoraka ny raharaha. Hatramin’ny olomboafidy aza dia nivoaka tamin’ny fahanginany ary naneho koa fa tsy rariny ilay fisamborana sy fanokafana fanadihadiana. Rehefa tena nozohina tokoa mantsy dia tsy nisy endrika fanalam-baràka na faniratsiràna na koa fanaparitahana vaovao tsy marim-pototra tao anatin’ny fanehoan-keviny. Nanazava fotsiny ihany izy fa vokatry ny tsy fisokafan’ny stade Maître Kira ao Andaboly dia mikorontana ny fiainan’ny klioba sasany. Izany dia nentiny nanintona ny sain’ny manam-pahefana ao an-toerana mba hijery akaiky ny fanamboarana ny kianja na ny marimarina kokoa mba hanafaingana izany. Noraisina ho toy ny faniratsiràna angamba izany ary dia nampiasaina ny fahefana ny hisambotra sy hanokatra fanadihadiana an’i Herman Rakotomalala. Tonga hatrany Ambavombe izay toerana niasàny mihitsy tamin’ny fisamborana ary notaterina niakatra tao Toliara ny olona voakasika taorian’izay. Ny tranga toy izao dia mbola manamafy hatrany ny tokony hamerenana handinihana ny lalàna momba ny « cybercriminalité ». Ny tsikaritra mantsy dia toa manome vahana ny manam-pahefana mba tsy ho azo tsikeraina ny andininy maro ao. Etsy andaniny, lasa mizàna tsindriana ila ny fomba fampiharana azy satria rehefa ny olo-be no mitory dia faran’izay haingana dia voasambotra ny olona. An-kavitsiana kosa ny fanadihadiana no lasa lavitra raha ny olon-tsotra no voakasika ka mitaraina. Ao anatin’izay rehetra izay dia lasa ny kaonty fako izay tsy misy fangalàna fepetra mihitsy hatreto ny momba azy ireo no manjaka…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici