Teto Toamasina ny sabotsy teo no namory ny vahoakan’i Toamasina, tao amin’ny tokotanin’ny orinasa Magro Tanambao V ny teo anivon’ny vondron’ny mpanao politika mpanohitra, nahitana ny vovonan’ny “Panorama”, ny “collectif des parlementaires”, ary ny RMDM. Nasiaka be ny lahateny nataon’ireo nandray fitenenana rehetra mikasika ny zava-misy ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao; nifandimby tamin’izany ireo solombavambahoaka ao anatin’ny mpanohitra sy ireo lehiben’ny antoko politika mpanohitra tonga teto Toamasina. Nambaran’ny Me Hanitra Razafimanantsoa, fa ny fampitana hafatra tamin’ny vahoakan’i Toamasina sy ireo vondron’ny mpanohitra no natao tamin’ny fihaonana izao. Maro mantsy hoy Me Hanitra Razafimanantsoa, ny zavatra ataon’ny mpitondra mandika lalàna tsy fantatry ny vahoaka noho izy ireny tsy mandeha amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Teo koa ny fijerena imaso nataon’ireo vondron’ny mpanohitra, ny zava-misy tamin’ny fanapotehana ny orinasa Tiko TOP tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Nisy vokatra izany ny valy bontana nataon’ny Me Hanitra Razafimanantsoa nandritra ny laha-teniny tamin’ny vahoaka, noho ilay valin-kafatra tamin’ny fanakihanana nataon’ny tale jeneralin’ny Spat, Atoa Avellin Christian Eddy. Anton’ity fidinana ifotony voalohany nataon’ny vondron’ny mpanohitra teto Toamasina ity ihany koa, dia fanazavana ny tsy fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny fifidinana loholona izay efa misokatra ny fisoratana anarana. Hetsika roa no entin’izy ireo mampiseho izany, dia voalohany ilay tsy fandrotsahana olona ho kandida, ny faharoa dia tsy fandehanan’ireo mpifidy vaventy avy amin’izy ireo mifidy ny fotoan’ny fifidianana ny 11 desambra. Ny antony hoy izy ireo, dia ambarany ny tsy maha-ara-dalana io fifidianana loholona hatao amboletra eto amintsika eo, ka manohana ilay fitorian’ny vondron’ny loholona teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana koa ireto vondron’ny mpanohitra ireto. Ankoatra izany, dia ho fanomezan’aina, “redynamisation”, ny antoko TIM koa izao fidinana ifotony natao izao, ho an’ny TIM.
Malala Didier