- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVondrozo : Olona 10 nosamborina noho ny fanapahan-doha

Vondrozo : Olona 10 nosamborina noho ny fanapahan-doha

Tranga izay tsy fahita firy ity niseho tany Vondrozo ity kanefa dia niesisesy toa an-toerana ary nampihorohoro ny fiarahamonina. Olona efatra no tapa-doha ka ny vatan’ireo sisa no hita. Izay raha hiverenana kely ny tranga izay niseho tamin’ny herinandro lasa teo. Mbola misy telo amin’ireo loha izay karohina ary heverina ho fantatra avy amin’ny fanadihadian’ny zandary ny mety ho nanafenana azy, ary indrindra ny anton’ny nanapahana azy. Olona folo no efa eo am-pelatanan’ny zandary mpanao fanadihadiana ankehitriny ary raha ny fantatra dia mbola misy olon-kafa izay karohina koa momba ity raharaha fanapahan-doha ity. Teo aloha kely teo dia fangalarana voamaso no tena nisesy tany amin’iny faritra atsimo sy atsimo atsinanana iny. Hatreto anefa dia mbola tsy nisy valin’ny fanadihadiana marina ny amin’izay tena antony ilain’ireo olon-dratsy ny maso. Ny tsy fahalalàna rahateo no mitarika ny honohono hany ka hatreto dia heverin’ny maro fa ilain’ny andian-dahalo amin’ny fiarovany tena ireo maso rehefa afangaro amin’ny ody ratsy. Tena mijaly ny fiarahamonina satria velona mihorohoro hatrany, maty mbola misy manongotra koa ny taova…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici