- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona : Fatin’olona telo indray hita omaly

Vono olona : Fatin’olona telo indray hita omaly

Toa mandeha ho azy, sanatria toy ireny mamono akoho amam-borona ireny, ireo olon-dratsy amin’izao, ary tsy menatra mihitsy miroso amin’izay, raha vao tsy mifanaraka aminy na miseho manohitra izay sendra azy.

Raha ny omaly fotsiny, dia fatin’olona telo be izao no indray hita, raha tamin’ireo faritra manodidina ny renivohitra. Vehivavy ny iray tamin’izy ireo, izay manodidina ny 18 na 21 taona any ho any. Hita faty tao anaty kirihitr’ala tetsy Andakana, Ambohimanga Rova omaly tolakandro. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary izay tonga avy hatrany teny an-toerana rehefa nisy nampilaza dia mbola miakanjo tsara ity tovovavy ity saingy tsy nisy taratasy azo namantarana azy kosa teny aminy. Azo lazaina araka izany, hoy ny vaovao, fa tsy niharan’ny fanolànana ity tovovavy hita faty ity. Saingy kosa azo noheverina fa mety ho nampijaliana ihany vao notaperina ny ainy. Nahitàna ratra mantsy ny faritry ny lohany. Raha ny filazan’ny mpitsabo tonga teny an-toerana dia nopaterina tamin’ny alalan’ny fanenkendana azy ity tovovavy ity, ary ny rojo teny aminy ihany no nampiasain’ireo olon-dratsy. Hatreto dia tsy misy mahafantatra, eny an-toerana ity tovovavy hita faty ity.

Fa ankoatra izay dia nahitàna fatin-dehilahy iray ihany koa omaly tetsy Behenjy, nanamorona iny lalam-pirenena fahafito iny. Nahitàna ratra ihany koa ny faritry ny lohany izay azo heverina fa nitarika ny fahafatesany. Tsy mponina eny amin’iny faritra iny ity tovolahy hita faty ity, araka ny fitantaran’ny mponina. Ny tany aminy rahateo moa tsy nisy taratasy azo namantarana azy. Fa tetsy amin’ny distrikan’i Mahitsy ihany koa dia tovolahy iray, izay manodidina ny 21 taona no hita faty, tao Antamboaka Soavinimerina. Araka ny angom-baovao azo dia mbola mpianatra izy io. Hatreto moa dia tsy mbola fantatra avokoa ny anton’ny nahafatesan’ ireo olona hita faty ireo, saingy na izany aza dia efa nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo zandary misahana ireo faritra tsirairay nahitàna ny razana ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici