- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona feno habibiana : Nadoboka am-ponja ilay ombiasa sy ny ekipany

Vono olona feno habibiana : Nadoboka am-ponja ilay ombiasa sy ny ekipany

Raha momba ilay tranga tao Salafaina kaominina Mahambo, distrikan’i Fenerivo atsinanana, izay nahasamborana ilay ombiasy sy ny zokiny, ary ireo ekipany miandahy miambavy, nanaboraka ny heloka feno habibiana vitan’izy ireo, dia ny alakamisy 01 febroary teo no niakatra fampanoavana sy mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, ka araka ny didy savaran’ando navoakan’ny fitsarana Toamasina dia miandry fitsarana am-ponja avokoa izy fito izay nisy vavy tokana. Taorian’ity didy noraisin’ny fitsarana ity dia nanomboka tony nefa mbola mihazona ny taratasy fampitandremana natao hatrany ireo fokonolona ao Salafaina Mahambo fa hiafara amin’ny fitsaram-bahoaka ny raharaha raha mbola mihaodihaody any an-tananan’izy ireo ireto olona mpamono olona feno habibiana ireto. Na izany aza, mbola mikatso ny fampianarana any an-toerana noho ny mbola tsy fiverenan’ireo mpampianatra dimy mianadahy vokatry ny tahotra noho izy ireo tao anatin’ny lisitr’ity ombiasa sy ekipany hovonoina. Raha ny momba ilay raharaha famakiana trano tao Ambolomadinika izay nangalarana fahitalavitra “écran plat” sy zava-maneno samy hafa ary nakan’izy ireo an-keriny lehilahy iray izay mpiasa eo anivon’ny orinasa SMMC Toamasina; dia mbola tsy hita popoka hatreto ny mikasika ity raim-pianakaviana ity, na efa manao ny ezaka mikaroka izay mety hisy azy sy izay mety nanarian’ireo andian-jiolahy telo nitondra kalaky ny fatiny ny mpitandro ny filaminana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici