Efa tonga eto Toamasina nanomboka ny sabotsy teo ireo olona sivy mianadahy, fito lahy ka frantsay ny iray sy vehivavy roa, voarohirohy tamin’ilay vono olona feno habibiana tao Sainte-Marie, nahafaty an’i Romain sy ny sakaizany Magalie hita faty teo amin’ny moron-dranomasina vao maraim-be.
Raha ny angom-baovao, dia tamin’ny 3ora maraina no niala tao Sainte-Marie ny vedety “El Condor” hany nanaiky ny hitondra azy ireto hamonjy an’i Toamasina araka ny fangatahana nataon’ireo tomponandraiki-panjakana tany an-toerana, sy ny fitsarana Toamasina misahana ny raharaha, ka ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Atoa Ramaroson Jacques no niantoka ny lany rehetra tamin’ny saran-dalana. Ny angom-baovao ihany no nahalalana ihany koa, fa tsy nampiarahana tamin’ireto olona sivy voarohirohy ireto ny antontan-taratasin’ady mikasika azy, ho fiarovana ilay antontan-taratasy araka ny loharanom-baovao. Mbola notazonina eo anivon’ny tobin’ny zandary izy ireo ny sabotsy sy ny alahady, ka anio vao hisy ny fiakaran’izy ireo eo anivon’ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina.
Filaminam-bahoaka.
“Tsy azo ekena ny fanakorontanana ao Sainte-Marie, misy mantsy andian’olona mihevitra ny hitarika sakoroka sy korontana taorian’ny asa nataon’ireo mpanao fanadihadiana sy ny mpitandro ny filaminana mikasika iny vono olona iny. Tsy maintsy hisambotra izahay raha misy izany…”, izay no nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidian’ny zandary mitarika ny Emmo-Far Toamasina, ny Kly Gele Serge. Nomarihany hatrany tamin’ny fanazavany tamin’ny mpanao gazety, fa “matoa misy ny fisamborana, misy ny mampiahiahy ao izay. Tsy mpanasazy izahay, fa anjaran’ny fitsarana izany”. Ankilan’izay dia nolazain’ny Kly Gele Serge, fa tsy misy tombo sy hala ireo voarohirohy, baiko tokana no nomen’ny tonia mpampanoa lalana amin’ny tsy fahafahan’izy ireo miresaka afa-tsy ny mpisolovava ihany.
Anio izany no hamaritra ny mikasika ireo sivy mianadahy voarohirohy amin’ity raharaha vono olona tao Sainte-Marie ity. Tsy maintsy hisy ny didy savaranonando havoakan’ny fitsarana mikasika azy ireo; eo am-piandrasana ny valin’ny fitiliana nataon’ny Frantsay tamin’ny fakana ny “ADN”-n’izy ireo…
Malala Didier