- Publicité -
mardi, octobre 14, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona mahatsiravina : Noloahana ny lohany, nodorana ny taovam-pananahany

Vono olona mahatsiravina : Noloahana ny lohany, nodorana ny taovam-pananahany

Famadihana nivadika ho vono olona ! Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ny namoana ity lehilahy iray, 30 taona, tao amin’ny fokontany iray tao amin’ny kaominina Ambohitsimanova, any amin’iny faritra Vakinankaratra iny ny faran’ny volana lasa teo.

Fotoana iray ahafahan’ny mpianakavy sy ireo mpiray fasana mihaona tokoa ny andron’ny famadihana. Tsy hilaozan’ny adiady sy fifamaliana isan-karazany izany zavatra izany, rehefa samy varimbarin’ny toaka, izay tsy maintsy mitobaka amin’io fotoana io. Ny tany amin’ity tanàna iray antsoina Antsahalava, ao amin’ny fokontany Soavina ity kosa anefa dia efa nivaona tanteraka tamin’ny fifamaliana sy adiadiam-pianakaviana tsotra ny zava-niseho. Niafara tamin’ny vono olona mahatsiravina mantsy izany, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary tany an-toerana. Lehilahy iray, monina any amin’iny distrikan’i Marolambo iny no lasibatra tamin’io fotoana io. Rehefa avy nampijalijaliana mantsy ny lehilahy dia novonoina ho faty nony avy eo. Nampandrenesina haingana mahakasika ity tranga ity ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ary tonga tany niaraka tamin’ny mpitsabo nijery ifotony ny zava-nisy. Hita tamin’izany fa nisy ratra lalina, vokatry ny zava-maranitra na dona mafimafy teo amin’ny lohany, antony izay heverina fa nahafaty aty. Nahitàna faritra mangana ihany koa teo amin’ny tongony ilany sy teo amin’ny mahalehilahy azy. Tsy vitan’io anefa fa voalaza fa nisy faritra may ny taovam-pananahany. Hatreto dia tsy fantatra mazava aloha izay anton’izao vono olona mahatsiravina izao. Ny hany fantatra, raha ny vaovao azo dia ireo tompon’antoka sy olona voarohirohy tamin’izany. Tsy niandry ela moa fa avy hatrany dia nosamborina sy nentina natao famotorana ireto olona ireto ary notazonina natao andrimaso teny amin’ny birao. Ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Antsirabe no nandray an-tanana ny famotorana tamin’ity raharaha ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici