- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona mahatsiravina : Novelesiny tamin’ny baramina ny renim-badiny, nitsoaka tany amin’ny sipany...

Vono olona mahatsiravina : Novelesiny tamin’ny baramina ny renim-badiny, nitsoaka tany amin’ny sipany izy avy eo

Mpanampy no nidiran’ity tovolahy iray tao amin’ny fiakanaviana. Kanjo nony taty aoriana dia lasa tena fianakaviana mihitsy rehefa nanambady ny zanaky ny mpampiasa azy. Nahafantatra ny tsiambaratelo rehetra tao an-trano araka izany ity farany, indrindra moa ny fisian’ny vola. Nitsiry tamin’izay ny hevitra ary niafara tamin’ny famonoana olona mihitsy izany.

Nandray an-tanana ny raharaha ny polisy misahana ny heloka bevava ary tratra tany amin’iny faritra Faratsiho iny ny lehilahy, izay efa niara-nipetraka tamin’ny vehivavy hafa indray ! Ny zava-nisy : tonga avy any ambanivohitra ity tovolahy ity mba hikaroka asa. Teny amin’iny fokontanin’i Soavimasoandro ny lehilahy ary nahita asa tamin’ny tokantrano iray. Rehefa nivadibadika ny volana sy ny taona dia nahababo ny zanaka vavin’ny tompon’ny trano izy ary lasa zanaka an-trano mihitsy fa tsy vitan’ny mpanampy intsony. Niafara tamin’ny fanambadiana mihitsy moa izany ka dia efa nivadika ho fifandraisan’ny fianakaviana ilay fifandraisan’ny mpanampy sy ny mpampiasa tany aloha. Tsy nisy niafina tamin’ity vinanto araka izany ny zava-drehetra tao an-tranon-drafozana fa indrindra ny fidiram-bola. Tnamin’io fotoana io dia fantany tsara ny fisian’ny vola mitentina 15 tapitrisa ariary tao an-trano sy ny fitoeran’izany. Nitsiry nanaraka izany ny hevi-dratsy ny amin’ny fomba hangalarana io vola io. Nandrasany araka izany ny naha-tsy teo intsony ny vadiny, izay lasa niasa sy ny rafozan-dahiny izay nandeha nivarotra. Nandrasana ihany koa ny nivoahan’ilay rafozam-baviny ny trano nanaraotany naka ilay vola. Sendra tonga tampoka angamba ity farany ary tratra ny anao lahy. Ny hamita ny asa ratsiny ihany moa ny tao an-tsainy ka dia tsy nisalasala mihitsy ity farany namono nahafaty ilay renim-pianakaviana izay sady rafozany ihany. Vely baramina teo amin’ny lohany no  nataony araka ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy. Nitsoaka toy ny teo moa izy rehefa nahavita ny ratsiny

Araka izany nametraka fitoriana avy hatrany teny amin’ny pôlisy ireto fianakavian’ny maty izay niahiahy avy hatrany ity vinanto tsy vanona, izay tsy hita teo an-toerana intsony moa. Rehefa natao ny fikarohana dia fantatra fa hoe niverina any Faratsiho izy ka notongavana tany. Tratra tao amin’ilay trano voalaza tokoa ity farany, izay tsy tahotra tsy henatra fa dia nandany ny vola azo tamina vehivavy hafa indray tany an-toerana. Nentina niakatra taty an-drenivohitra avy hatrany moa ity farany ary efa atao andrimaso sy famotorana etsy amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika fahadimy etsy Anosy. Fantatra moa atolotra ny Fampanoavana amin’ny fotoana mahamety azy moa ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici