Efa tena tsy nifadi-trovana ! Renim-pianakaviana iray no nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Matsondakana, ao amin’ny distrikan’i Befandriana Avaratra ny faran’ny herinandro teo noho ity farany voarohirohy tamin’ny resaka vono olona, izay tsy iza fa ny menaky ny ainy, vao dimy volana monja.
Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no nahasahian’ity renim-pianakaviana ity namono ny zanany menavava. Raha mbola teo am-pinonoana azy mantsy ilay zaza no notereny ny orony ary notapenany ny vavany. Namoy ny ainy afaka fotoana vitsy ilay zaza vokatr’izay. Tranga niseho tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Ambohimarina, kaominina Belalona, distrikan’i Befandriana Avaratra ny voalohandohan’ny volana teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy ny fitarainana nataon’ny fianakavian’ity vehivavy, ny amin’ny tsy fahitàna ilay zazakely, izay vao avy naterak’ilay ramatoa, ny faran’ny herinandro teo. Nidina avy hatrany nanao ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany ary nanao ny famotorana savaranonando ilay renim-pianakaviana. Tamin’izay fotoana izay no niaken’ity ramatoa ity fa maty novonoiny io zanany naterany io. Ny voalohan’ny volana oktobra lasa teo no nanatanterahany izany ary naleviny, tokony ho telo kilaometatra miala ny tanana ny razana nony avy eo. Taorian’ny fahazoan-dalana azon’ireo mpanao fanadihadiana dia tamin’io andro io ihany no nandeha notadiavina ilay toerana voalaza fa nandevenany ilay zaza ary naverina nofongarina ilay zaza. Vatana kely efa mihintsana nofo no hitan’ireo fokonolona sy ireo tompon’andraikitry ny fanadihadiana tao. Nambarany tamin’izany fa noho ny fandaozan’ny vadiny azy mianaka, tamin’ny faha efa-bolan’ilay zaza no antony nanosika azy handatsaka ny ain’ity zaza tsy manan-tsiny. Nentina notazomina avy hatrany natao andrimaso ho amin’ny famotorana moa ity reny nahavita namono ny zanany ity, mandra-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L