- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona : Nodorahina vatan-kazo ary nokapakapaina tamin’ny famaky ny lohany

Vono olona : Nodorahina vatan-kazo ary nokapakapaina tamin’ny famaky ny lohany

Raim-pianakaviana iray no novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany dia ny rahalahiny ihany, niaraka tamin’ireo namany hafa no tompon’antoka nahavita izany vono olona izany, noho ny resaka lonilony.

Tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Ambato Mahatsinjo, distrikan’i Mananjary, no nisehoan’ity tranga mampihoron-koditra ity. Raha ny vaovao voaray tokoa mantsy dia efa ela ireto olona ireto, izay mpihavana sy mpirahalahy ihany, no nampisarahin’ny disadisa, saingy mbola nijanona tamin’ny fifamaliana vava teny foana. Tamin’io sabotsy io no nanapa-kevitra ny hiakatra tamin’ny sehatra avoavo kokoa ireto olona manana lonilony amin’ity raim-pianakaviana ity ka nanapa-kevitra ny hamono azy tanteraka. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy, talohan’ilay tranga dia fantatra fa mbola niara-nisotrosotro izy ireo. Nony samy nampiakarin’ny daozin’ny alikaola teo anefa dia nitamberina indray ilay resaka nampisy disadisa. Raikitra teo indray ny fifamaliana ary niha-niakatra ny feo. Nitsiry tampoka teo amin’izay ny hevi-drats’ireto telolahy, izay voalaza fa ny rahalahiny ny iray,  niaraka tamin’ity raim-pianakaviana ity, ny hamono azy. Raha iny an-dalana handeha hody iny no narahin’izy ireo, ary rehefa tonga tamin’ny toerana mangingina no nanamparan’izy ireo ny habibiana amin’izany. Nodarohana tamin’ny vatan-kazo aloha, ary rehefa nianjera dia narahina kapa famaky, teo amin’ny hatony sy teo amin’ny lohany. Nijininika tsy nisy toa izany ny rà. Ary rehefa hitan’izy ireo fa tsy nihetsika sy namoy ny ainy dia navelan’izy ireo teo. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nampandre haingana ny mpitandro filaminana ireo fianakaviana ka tsy ela ireto farany dia tonga. Na izany dia aza efa tsy avotra intsony ilay rangahy niharan’ny vono. Ireo nahavanon-doza kosa, ny ampitso marain’io dia efa voasambotra ny roa. Nametrahana vela-pandrika ka tsy afa-bela tamin’izany koa ny iray, ny afak’ampitson’izay. Samy niaiky moa ireto farany fa tena namono nahafaty ity lehilahy 40 taona ity. Notazomina natao andrimaso avy hatrany ho amin’ny famotorana moa ireto mpamono olona ireto, miandry ny fanolorana azy eo anivon’ny Fampanoavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici