- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversVono olona : Nokapaina famaky ny lohany ary notombohana lefona ny tratrany

Vono olona : Nokapaina famaky ny lohany ary notombohana lefona ny tratrany

Vehivavy iray, manodidina ny 37 no hita faty teo amin’ny saha iray, tsy lavitry ny tananan’Ampamoty Tanantsoa, kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, ny herinandro lasa teo. Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoan’ireo tsy valahara ity vehivavy ity. Feno ratra tanteraka ny vatany ary saika niala tamin’ny vatany mihitsy ny lohany.

Olona iray sendra handeha any an-tsaha no nahita ny vatana mangatsiaka nihoson-drà an’ity vehivavy ity, araka ny vaovao azo hatrany. Nanao fanairana ny manodidina avy hatrany ity farany. Ny sefo fokontany tao an-toerana nampandre tsy nisy hatak’andro ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Beraketa. Nidina avy hatrany tany an-toerana, niaraka tamin’ny mpitsabo ity farany, nanao ny fizahana ny razana. Nofiraina tamin’ny famaky ny lohany ary nodidina ny tendany. Nahita lavaka mangotanatana ihany koa teo amin’ny tratrany manandrify ny fony, izay tafavoaka taty amin’ny lamosiny. Azo heverina fa mety ho lefona nanatrobarana azy. Raha ny tombatomban’ny mpitsabo dia efa manodidina ny adin’ny folo tany ho any no nahafaty ity vehivavy ity. Marihana fa fantatr’ireo manodidina izany olona hita faty izany, izay voalaza fa monina ao Ampandra, fokontany Mahazoarivo, kaominina Beraketa ihany. Fantatra ihany koa, araka ny fitantaran’ny raharaviny fa ny omalin’ny andro nahitana ny vatana mangatsiakany ity no nilaza fa handeha hamonjy an’i Beraketa vao maraina, hanatona mpitsabo. Kanefa dia izao hita faty izao izy. Vola manodidina ny 140,000 ariary niaraka tamin’ny finday no fantatra fa tsy teny aminy intsony tamin’ny fotoana nahitàna ny razana. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nandeha ny fikarohana ireo izay mety ho nahavanon-doza sy nahavita izao habibiana izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici