- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversVono olona tao Ambalamasy Toamasina : Ny sakaizany ihany no voalaza ho...

Vono olona tao Ambalamasy Toamasina : Ny sakaizany ihany no voalaza ho tompon’antoka tamin’ny famonoana azy…

Nitana ny sain’ny maro ilay olona hita faty teo an-tsisin-dakoron’olona tao Ambalamanasy Carreau n°01. Raha tsiahivina, ilay maty dia tovovavy tokony ho eo amin’ny 25 taona teo ary ny alahady 8 janoary no nahitana ny fatiny. Nahita izany moa ireo ankizy nilalao teo akaiky teo. Razana efa simba no hita teo amin’ilay toerana ary tsy nisy namanantarana azy intsony, afa-tsy ny pastiches teny amin’ny volony izay niloko mena. Ny andron’ny 8 janoary io ihany dia efa nanamarina ny razana teny amin’ny hopitaly be ny havany. Avy hatrany dia nalain’ny havany ny razana ary nambaran’izy ireo fa ahian’izy ireo fatratra ny sakaizany, satria tia midaroka azy ilay tovolahy, araka ny fantatra, ka tamin’ity indray mitoraka ity nahafaty ilay tovovavy izany. Raha ny fitantaran’ny olona akaiky ny fianakaviana dia tany amin’ny zoma 6 janoary tany no nanomboka tsy hita ity tovovavy ity, nefa hagagana ny azy ireo fa faty no hita ny andron’ny alahady 8 janoary. Mbola karohina ity tovolahy sipany ity amin’izao fa tsy hita ny nanjavonany. Raha ny angom-baovao hatrany dia efa nosakanan’ny fianakaviany tsy hiaraka amin’ilay tovolahy ilay tovovavy maty, saingy tsy tana fa mbola mangala-dia mihaona aminy ihany. Ny alatsinainy 9 janoary teo tokony tamin’ny 7ora sy sasany maraina dia voasambotry ny “quartier mobile” tao Vohitsoa Balambo, faritra Ambalamanasy Toamasina II iny, ilay tovolahy sipany heverina fa namono ity tovovavy ity. Eo anivon’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha amin’izao ka mbola tsy nisy nipika ny antony namonoany ny sipany toy izao. Ny alatsinainy 9 janoary teo no nentina tany Ambodiriana Toamasina II ny vatamangatsiakan’ilay tovovavy. Ankoatra izay, momba ilay faty teny amin’ny “pont mainty” kosa dia hetraketraky ny fiaraha-monina, satria tsy salama saina tsara ilay tovovavy maty tao anaty rano. Ny sabotsy hariva io dia hamonjy fodiana nitondra kifafa avy novidiany ilay tovovavy, ka teo no nanondroan’ny olona azy ho mpamosavy noho ity resaka kifafa ity, ka nanaovan’ny olona fitsaram-bahoaka. Tsy afaka niaro tena rahateo izy noho ny olana ara-tsaina eo aminy ka izao maty izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici