- Publicité -
mardi, août 12, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVono olona tao Ambodimangavalo Ampasimbe Onibe : Migadra asa an-terivozona mandra-pahafatiny i Sampy...

Vono olona tao Ambodimangavalo Ampasimbe Onibe : Migadra asa an-terivozona mandra-pahafatiny i Sampy Jean Noel

Ny Janoary 2019 dia nitrangana vono olona feno habibiana, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodimangavalo kaominina Ampasimbe Onibe, làlam-pirenena faha-05 iny. Voarohirohy tamin’izany noho ireo porofo marobe tsy azo nolavina taminy ingahy Sampy Jean Noel. Ny 13 janoary 2019 no naiditra am-ponja vonjimaika ny tenany, raha niakatra fitsarana ny zoma misandratr’andro teo ny raharaha, dia tsy nisalasala ny mpitsara sy ireo mpitsara mpanampy namoaka didy sazy asa an-terivozona am-ponja mandramaty ho an’ingahy Sampy Jean Noel tamin’ny famonoana an-dRalaivao Théophile 35 taona, sy nangalatra ny vola 140.000 ariary tany am-paosiny. Nandritra ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana dia niezaka ny nandà ny heloka bevava vitany i Sampy Jean Noel, nefa ilay fifanenany tamin’ireo mpianatry ny EPP nirava namonjy fodiana nahita azy nihosin-drà izay nihevitra azy ho naratra be, sy ny tsy fijoroan’ny ray aman-dreniny sy ny rafozany ho vavolombelona tamin’izao raharaha izao, no tena nanenjika azy tao anatin’ity vono olona feno habibiana ity. Fira antsy teo amin’ny lohany sy teo amin’ny tendany niisa roa no nahafaty an’i Théophile, sady hainy tsara ihany koa fa nivarotra menaka manitra jirofo 04 litatra ingahy Théophile vao maraina ka ny hangalatra ilay vola vidin’izany no saika hataony, saingy izao niteraka vono olona feno habibiana izao ny raharaha. Nisy lonilony resaka ady tany teo aminy sy ny fianakavian’ity olona maty ity ihany koa ny raharaha, raha ny fanazavana teo anivon’ny fitsarana. Izay no nahatonga ny fitsarana ady heloka bevava ny fitsarana ambony Toamasina namoaka sazy henjana mifonja an-terivozona mandra-pahafatiny an’i Sampy Jean Noel, ny zoma teo. Ankoatra izany dia nahazo sazy henjana asa an-terivozona mandra-pahafatiny ihany koa i Mila Armel, raha niaiky teo anivon’ny fitsarana ny heloka bevava tsotran’ny fitsarana ambony Toamasina ny heloka vitany, tamin’ny famakiana fasana sy nangalatra taolam-paty saika hamidiny ka isan’izany ny taolan-drainy sy ny fianakaviany tao Vavatenina.

Malala Didier

 

 

 

 

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici