Ny volana jolain’ny taona nivalona iny, dia nitrangana vono olona mahatsiravina natao tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka, tao amin’ny kaominina Andranofotsy distrikan’i Maroantsetra. Ingahy Tafita José; izay mpampianatra taranja anglisy tao amina CEG iray Manambolo Cisco Maroantsetra no nisy namono tamin’izay fotoana izay. Nanomboka ny volana jolay, taona 2018 no nikarohana ireo mety ho nahavanona izao vono olona izao sy nanaovana ny fanadihadiana taorian’ny fitorian’ny fianakaviany ny maty, saingy ankehitriny nody ventiny ny fikarohana natao. Tratran’ny polisim-pirenena ao Maroantsetra ny alakamisy 10 janoary teo ireo telo mianadahy nahavita izao vono olona feno habibiana izao, ka nandritra ny fakana am-bavany azy ireo no nivoahan’ny marina tamin’ny antony namonoana ity mpampianatra ity tamin’izay fotoana izay. Raha ny fanazavana dia vehivavy iray antsoina hoe Jeanne no tena tompo-marika tamin’ilay vono olona. Ity vehivavy ity izay mpiara-manao lavanilina tamin’ilay mpampianatra maty ihany, raha ny fanazavan’ireto olona tratra ireto. ilay ramatoa Jeanne dia mpanera lavanilina an’ilay mpampianatra satria naka vola be nividianana lavanilina tamin’ilay mpampianatra izy, kanjo lany ilay vola ny lavanilina tsy azo ka teo no niitatra ny sainy hamono ity olona manan-trosa aminy ity. Tovolahy roa no nokaramainy hanao ilay famonoana tamin’izany, ka tsy nitsitsy koa ireto nirahina fa namono tamin’ny fomba tena feno habibiana azy. Niaiky ny heloka vitany raha ny angom-baovao izy telo mianadahy ireto, ka raha niakatra fitsarana ny raharaha, dia didy savaranando miandry fonja vonjimaika ao Maroantsetra izy telo mianadahy namono olona ireto. Ankoatra izay momba ilay fananam-bola niteraka fananararaom-pahefana nahatonga ity tovolahy iray notobahana rano mafana kosa, dia ny alatsinainy teo no niakatra fitsarana ny raharaha, ka tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana taorian’ny fanadihadiana ny raharaha, dia miandry fitsarana ao amin’ny fonjan’i Maroantsetra ihany koa i Juvin nahavita izany.
Malala Didier