- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Ankazotsifantatra Mahanoro : Olona telo hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny...

Vono olona tao Ankazotsifantatra Mahanoro : Olona telo hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny zandary

Taorian’ilay trangana vono olona mahatsiravina, namonon’ny olona azy enina mianaka tao an-tranony tao anatin’ny torimasony, ilay renim-pianakaviana sy ny zanany dimy 8 volana hatramin’ny 10 taona, nokapakapaina tamin’ny antsy be, noho ny resaka disaisam-piaraha-monina, dia olona telo voalaza fa mety ho mpiray tsikombakomba tamin’ilay mpamona no nosamborin’ny zandary hanaovana fanadiadiana ao Mahanoro. Na izany milaza ny zandary fa mbola mitohy ny famotorana ifotony sy ny fikarohana ilay olona nambaran’ilay raim-pianakaviana namoy ny vady aman-janany ho mety ho fototra izao raharaha izao noho resaka ady tany. Voalaza fa nandositra tsy ao an-tanàna ity olona ity raha vao fantatry ny mpiara-monina ny zava-nisy tamin’ny nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana azy enina mianaka ireto. Lasa miteraka olana ara-piaraha-monina ao amin’ny tanànan’Ankazotsifantatra Mahanoro ity vono olona feno habibiana ity, satria misy andian’olona miketrika valifaty amin’ny fianakavin’ireo voarohirohy ho mpiray tsikombakomba sy ilay voalaza fa mety ho fototry ny vono olona any an-toerana ankehitriny. Ka raha izay no hitranga dia fatin’olona mikararana no hiseho any an-toerana tsy ho ela.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici