- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Ankirihiry Toamasina : Sarim-bavy nikaoty lehilahy no tena niandohany

Vono olona tao Ankirihiry Toamasina : Sarim-bavy nikaoty lehilahy no tena niandohany

Nivoaka amin’izay ny tena anton’ny nahafaty an’i Letoko 29 taona, tao amin’ny “Bar Saholy” Ankirihiry, ny alin’ny alakamisy 03 martsa teo tokony tamin’ny 10ora sy 30 minitra alina.

Araka ny fanazavan’ny Kaomisera Ramilison Celestin misahana ny heloka be vava Toamasina sy araka ny fanazavan’izy roa lahy nahavanon-doza, dia i Fernandel sy Fernand izay samy 22 taona mipetraka ao Andranomadio Toamasina, dia noho ny fikaotin’ity sarim-bavy iray azy ireo no niandohan’ny sakoroka. Nahatezitra an’i Fernand mantsy ny teny nataon’ilay olona taminy, nandritra ny fiantsoany ny sakaizany tamin’io fotoana io, ka nodarohany tamin’ny tavoahangy teny an-tànany ity sarim-bavy ity; izay naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny sorony.

Nahita ny ratra be tamin’ity sarimbavy i Lekoto, dia niditra an-tsehatra nilaza tamin’i Fernand hitondrany ity maratra eny amin’ny toeram-pitsaboana, teo anefa no niditra an-tsehatra i Fernandel ka namely tamin’ny tavoahangy ihany koa an’i Lekoto, naratra vokatr’izany ity tovolahy ity, nefa tsy vitan’izany fa notsatohan’izy ireo zava-maranitra ihany koa ny tendany izay nahavoa ny lalan-drivotrany nanafaingana ny fahafatesany, na niezaka nitondra ny naratra teny amin’ny hopitaly ireo nahita ny zava-nisy.

Niaiky ny zavatra nataony i Fernand sy Fernandel, ka omaly no niakatra fampanoavana ny raharaha izay nametraka azy roa lahy hiandry fitsarana am-ponja. Nenjehan’ny fitsarana tamin’izao raharaha izao koa ny tompon’ilay “Bar Saholy” sy ilay sarim-bavy niatombohan’ny sakoroka, saingy nahazo fahafahana vonjimaika alohan’ny fitsarana kosa izy ireo.

Ankoatra izany, dia milaza ny hamoaka didy amin’ireo trano fisotroana sy fanaovana “karaoke” tsy manaja ny fikatonana amin’ny 10ora alina ny prefen’i Toamasina sy ny tonia mpampanoa lalana izay samy misahana ny filaminam-bahoaka, satria isan’ny miteraka tsy filaminana ao Toamasina, ny tsy fanajana ny lalàna misy, sy ny fandikan-dalàna maro hita amin’ireo trano fisotroana sy Karaoke isan’ireny ny zava-mahadomelina sy fampidirana zaza tsy ampy taona.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici