Raharaha vono olona, izay nahavoarohirohy azy no hanenjehana ity ben’ny tanàna am-perinasa voafidy tao amin’ny kaominina Belinta, distrika Belo Tsiribihana ity. Zava-nitranga efa volana vitsivitsy lasa izay, rehefa nisy ny fitifirana olona tsy amin’ny antony, nataon’ny olona iray tany amin’iny faritra Morondava iny. Voalaza tamin’izany fa anisan’ny nanampy betsaka ity olona ity io olom-boafidy io, ary mety ho anisan’ny atidoha nikotrika izany vono olona niniana natao izany. Rehefa nisy moa ny fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Menabe, dia voamarina izay firaisan’ity ben’ny tanàna ity tsikombakomba tamin’ilay tena nitifitra. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina teo anoloan’ny Fampanoavana. Raha ny fampitam-baovao azo dia efa indroa naseho teo anoloan’ireo mpitsara mpanao famotorana izy. Ny voalohany, ny andron’ny 29 septambra teo, ary ny faharoa, ny ampitson’io. Tamin’izany no nandraisan’ireo mpitsara mpanao famotorana ny fanapaha-kevitra hampiditra azy am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Nadoboka avy hatrany tao amin’ny fonjan’i Morondava moa ity ben’ny tanàna ity mandram-piandry izay fotoana izay. Marihana fa ilay olona niraisany tsikombakomba ihany koa dia voalaza fa efa nadoboka am-ponja toa azy. Marihana fa ankoatr’ity ben’ny tanànan’i Belinta ity ihany koa dia voalaza fa nisy ben’ny tanàna hafa, izay voarhirohy tamin’ny resaka vono olona hafa tany amin’iny distrika iny hatrany no voalaza fa naseho teo anoloan’ny Fampanoavana, ny faran’ny volana teo hatrany.
m.L