- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Brickaville : Nitory ny fianakaviana “Massou”

Vono olona tao Brickaville : Nitory ny fianakaviana “Massou”

Ny alatsinainy teo no natao ny fandevenana ilay lehilahy maty notifirin’ny zandary tao Brickaville, noho izy voatondro molotra fa naman’ireo mpanafika tao amin’ity teratany sinoa, ny talata 05 janoary lasa teo. In-02 notofirina ity lehilahy ity hahafaty azy. Ny iray teo amin’ny fanambaninin’ny nonony, ary ny faharoa teo amin’ny faritry ny tendany. Nandritra izay anefa dia efa nanangan-tanana ny tsy hitifirana azy ny tenany na tsy mpanao ratsy aza. Efa tafapetraka ny fitorian’ny havany mikasika ity vono olona tao Brickaville ity, izay saika niteraka sakoroka tamin’ireo vahoaka niatrika ny fitifirana azy. Isan’ny tafiditra tao anatin’ny fitoriana ity ireo porofo rehetra, dia ilay someso nalefan’ny vadiny taminy talohan’ny nitifirana azy, ny taratasy rehetra mikasika ny anton-diany tany Brickaville, ary ny fotoana nialany teto Toamasina sy ny fahatongavany tao Brickaville, ilazan’ny fianakaviany fa tsy naman’ireo andian-jiolahy ny havan’izy ireo. Isan’ny fitoriana nataon’ireo fianakaviana “Massou” ireto koa, ny tsy fahitana ny ankamaroan’ireo zavatra teny amin’ity lehilahy maty novonoin’ny zandary ity. Isan’izany ny firavaka volamena matevina be teo amin’ny tendany, ny pasipaoro amin’ny maha-tatsambo eo anivon’ny sambo Msc azy, ny “carte bancaire”-ny, ary ny ankamaroan’ny vola tao anaty fitoeram-bolany izay tsy nisy tavela afa-tsy 20.000 ariary mahery kely monja. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny filoham-pirenena ny fianakavian’ity lehilahy maty notifirin’ny zandary tao Brickaville ity, mba hijerena sy hamahana haingana ny olana misy. Tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo fianakavian’ny maty ireto mandra-pahitana ny marina amin’izao raharaha izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici