Omaly ihany dia efa nandeha be ny fanadihadiana nataon’ny zandary, mahakasika ilay raharaha vono olona telo mianaka tao Imerintsiatosika. Olona telo no nosamborina ary notazonina rehefa misy fanahiana azy ireo ho tompon’antoka tamin’ny heloka bevava. Koa satria tsy nisy ny varavarana vaky na koa nisy zavatra nopoirina mba nahatafidirana tao amin’ilay trano, dia tsy maintsy nandeha tany amin’ireo olona izay nifanerasera tamin’ity fianakaviana ity ny ahiahy voalohany . Teo no nahatonga ireo olona telo izay nosamborina ary nosavaina trano. Lahy avokoa izy ireo, raha araka ny vaovao azo, ary misy ny namana akaiky ny raim-pianakaviana. Io no tena ahiahiana mafy. Loharanom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana no namantarana, fa miara-miasa amin’ny sehatra hafa amin’ilay raim-pianakaviana izy io ary manodim-bola miaraka izy ireo. Mbola izany ihany koa no nahafantarana, fa misy olana ara-bola eo amin’ny roa tonta. Rehefa nosavaina ny trano fonenan’io omaly, dia nitombo ny fanahiana. Nahitana kiraro, mosoara ary pataloa izay misy rà tao amin’io toerana io, raha araka ny loharanom-baovao mitovy hatrany. Omaly ihany izany dia efa nitombo ny fanahiana ity rangahy ity ho tompon’antoka tamin’ny vono olona. Koa satria naharary tamin’Imerintsiatosika ny zava-niseho, dia nandray fepetra avy hatrany ny zandary ny namindra toerana ireo olona telo mba hialàna amin’izay mety ho fitsaram-bahoaka hitranga. Nanomboka omaly ny fihainoana ireo olona ary mbola afaka manalava hatrany ny fitazonana azy ny mpanao fanadihadiana, satria heloka bevava ny raharaha ary tsy voatery ho vita roa andro ny fihainoana sy ny fandalinana rehetra izay tokony hahitàna ny marina. Nihoron-koditra ny olona ary nisavorovoro ny sainy raha nahita ny vaovao mahakasika iny tany Imerintsiatosika iny. Ny reny naolana dia novonoina, ny zanany notsatohana antsy teo amin’ny tendany ary novelesina kibay sy notsatohana antsy koa ny ray. Samy maty izy telo mianaka no hita ny maraina. Mainka koa nampihorohoro ny olona ny fisian’ny vono olona tetsy amin’ny Gastro tetsy By-pass ; izay notsatohana antsy ny mpiambina roa ka maty tsy tra-drano. Izany rehetra izany dia tanatin’ny alina iray avokoa no nitranga. Mila valiny haingana momba ireo heloka bevava ireo ny olom-pirenena; izay vao afaka milamin-tsaina indray.
D.R