- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Miarinarivo : Olona 5 voasazy hanao asa anterivozona 15...

Vono olona tao Miarinarivo : Olona 5 voasazy hanao asa anterivozona 15 taona

Notsaraina ny talata sy ny alarobia teo tao amin’ny tribonaly Miarinarivo ilay raharaha vono olona tamin’ny fomba feno habibiana nitranga tao Analavory roa taona lasa izay. Olona 10 no voampanga tamin’ity raharaha nahafatesana an’ilay Ramatoa lehibe atsoina hoe Mama Jeanne. Ankoatran’ny vono olona, dia voapanga ihany koa izy ireo fa niray tsikombakomba tamin’ny fanafenana ny razan’ity Ramatoa ity.  Nafenan’ireo olon-dratsy ny razana ary tsy hita raha tsy efa 2 taona sy efa-bolana aty aoriana. Ny polisy avy ao amin’ny BC Anosy no nahasambotra ireo olon-dratsy ireo ary fantatra fa mbola misy olona telo mbola karohina amin’izao fotoana izao. Olona 8 no tena tompon’antoka tamin’ity raharaha ity . Isan’ireo ny zanaka vavin’ilay ramatoa be sy ny vinantolahiny ary ny mpiambina azy  sy ny mpamboly eo amin’ny taniny. Nivoaka ary ny didim-pitsarana ny alarobia teo ka, olona 5 no afaka noho ny fisalasalana ; 5 nahazo sazy mihatra 15 taona hanao asa anterivozona, miampy fandoavana honitra 50 tapitrisa ariary. Milaza ho tsy afa-po amin’io didy io anefa ny havan’ny maty ka tsy maintsy hampakatra ny raharaha amin’ny Fitsarana ambony.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici