- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona tao Sainte-Marie : Olona dimy “m.d”, isan’izany ilay “chef d’agence”...

Vono olona tao Sainte-Marie : Olona dimy “m.d”, isan’izany ilay “chef d’agence” na banky sy ilay teratany frantsay

Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina no namaky ilay antontan-taratasin’ady matevim-be ny tonia mpampanoa lalàna amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, mikasika ilay raharaha vono olona tao Sainte-Marie. Ny tolakandro tamin’ny 2 ora sy sasany vao niditra ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, raha nahavita ny fehin-teny manenjika ireo voarohirohy ny fampanoavana.

Tamin’ny 4 ora sy sasany taorian’ny fihainoany ireo olona sivy voarohirohy ny teo anivon’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana, dia namoaka ny didy savaranonandony izy ka olona dimy (5) no miandry fitsarana am-ponja vonjimaika, nahitana ilay “Chef d’Agence” na banky ao Sainte-Marie, ilay teratany frantsay sakaizan’ilay vahaza vavy maty teo aloha, olon-sotra iray ary Ingahy isany roalahy malaza amin’ny heloka bevavaa teto Toamasina, ny iray araka ny fantatra dia vao nivoaka ny fonja tsy ela tamin’ny resaka vola “euros” sandoka nataony. Noafahan’ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana koa ireo efatra mianadahy, roa vavy sy roa lahy, tafiditra tamin’izao raharaha izao tao Sainte-Marie.

Resa-bola?

Maro ny feo re nandritra ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fitsarana omaly teto Toamasina ity, izay misy “fahamarinany” ihany izy ireo satria betsaka ny ahiahy amin’ny mpitsara mikasika izany. Raha ny fanazavana azo dia misy “resa-bola” ity raharaha famonoana olona ity, ka ilay vazaha vavy no tena nokendrena, nefa noho izy ireo mpifankatia dia niaraka novonoina. Izay araka io loharanom-baovao io no tena maha-tafiditra an’ilay “chef d’agence” na banky ity ao anatin’ny raharaha; satria misy vola amina miliara nanjavona tao anatin’ny kaontin’ny Cetamada talohan’izao vono olona izao, izay mbola nitohy taorian’izany ihany koa. Izay ihany koa no nampifaningotra ilay olon-tsotra sy izy roa lahy jiolahy tonga tany Sainte-Marie; satria izy ireo no voalaza fa nanasa ny fiaran’ity “chef d’agence” na banky ity vao maraim-be feno fotaka, nefa ireto vahaza nisy namono ireto koa tamin’ny nahitana azy dia feno fotaka sy voadaroka feno habibiana.

Ho hita eo ny fandehan-draharaha satria raha ny angom-baovao dia manao tatitra ny fandehan-javatra misy mikasika ity raharaha ity eo anivon’ny fampanoavana ao Parisy sy Nanterre hatrany ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina. Efa nisy rahateo izany omaly naraina nandritra ny fandalovan’ilay antontan-taratasin’ady tonga tao amin’ny biraony noho ny fiaraha-miasa eo emin’izy ireo.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici