- Publicité -
vendredi, octobre 31, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVono olona tao Sainte-Marie : Olona valo no natao fanadihadiana

Vono olona tao Sainte-Marie : Olona valo no natao fanadihadiana

Tafaverina eto Toamasina raha nitarika ny fanadiadiana ny raharaha vonoan’olona nahafaty tamin’ny feno habibiana ireo tera-tany frantsay roa mpisakaiza tany Sainte-Marie, ny tonia mpampanoa lalana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, Atoa Rajaonah Lauret Thierry.

Nanome fanazavana mikasika ny fizotry ny fanadiadiana izy ary tamin’izay no nilazany mazava fa “ny fitsarana eto Toamasina no misahana ny fanadiadiana ny raharaha, ary izy ihany koa no mitondra ny fanenjehana rehetra mikasika ity heloka be vava ity, na eo aza ny fisokafan’ny fanadiadiana ihany koa eo anivon’ny fampanoavana any Paris sy any Nanterre”. Nohamafisin’Atoa Rajaonah Lauret Thierry hatrany fa “fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana malagasy sy frantsay no misy mikasika ity raharaha ity, fa tsy mitsabaka amin’ny fanadiadiana sy ny fanokafana antontan-taratasin’ady ara-keloka ataon’ny fitsarana Malagasy izy ireo”.

Amin’izao fotoana izao, miisa valo ireo olona nosamborina nanaovana fanadiadiana izay heverina fa mifaningotra tamin’izao raharaha izao. Ny roa tamin’ireo no vehivavy izay nanaovana fanadiadiana ihany dia nalefa nody, saingy nomarihan’Atoa Rajaonah Lauret Thierry, fa tsy midika fahafahana ho azy ireo izany, fa resaka ara-pahasalama no nandraisana ny fepetra mikasika azy ireo. Enin-dahy kosa dia nozaraina roa, ka samy mihazona telo avy ny polisy sy ny zandary nefa amin’ity farany no nohazonina ilay tera-tany frantsay tafiditra tamin’izao raharaha famonoana tera-tany frantsay izao.

Trano fito. Nambaran’ity mpampanoa lalana eto Toamasina tamin’ny fanazavana nomeny tao amin’ny birao fiasany hatrany, fa nandritra ny fanadiadiana natao rehetra dia tranon’olona fito no nanaovana fisavana manokana, mba ahitana ny marina sy ny olona nahavita izao habibiana amin’ny von’olona izao. Ny enina tamin’ireo fisavana no natao taoriana kelin’ilay vono olona, ny faha-fito ny tranga kosa no niseho ny zoma teo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici