Nitrangana vono olona tao amina tokantrano iray tao amin’ny fokontanin’i Tsaramandroso Toamasina Suburbaine. Raim-pianakaviana iray 79 taona no novonoin’ireo andian-jiolahy tamin’ny famelezana azy hazo teo an-damosiny sy teo amin’ny fara-hatony. Ny zanany lahy kosa vaky loha noho ny daroka nahazo azy, nandritra ny fanafihana azy ireo. Tao amin’ny fokontany Tsaramadroso Maromaniry C2 Ambodisaina, kaominin’i Toamasina Suburbaine nitrangan’izany fanafihan-jiolahy izany. Nambaran’ireo mponina sy ireo andrimasom-pokonolona manao fiambenana alina, dia ny fisian’ity trano fanaovana “jiromena” na trano fampandihizana iray ao an-toerana no mahatonga ny firogatry ny asan-jiolahy noho ny gaboraraka misy. Lazain’ny mponina hatrany, fa miseho matihatita amin’ny mpitandro filaminana sy ireo olom-panjakana ilay tompon’ny trano fandihizana ka manao izay saim-patany amin’ny asa fampandihizana ataony. Efa voasambotra mikasika ity vono olona tao Tsaramandroso ity, saingy mitaky fanadihadiana lalina sy fampiharana ny lalàna amin’izay tafiditra – mifaningotra amin’izao raharaha izao, ny fianakavian’ny namoy ny ainy sy ireo olona mpitondra eny ifotony. Efa eo am-pelan-tanan’ny zandary avy amin’ny “Brigade Ville” Toamasina renivohitra ny famotorana ny raharaha amin’izao; ary mitaky ny fampiharana ny lalana misy eo anivon’ny fitsarana ho an’ireo mpamono olona, ny fianakavian’ny maty. Andrasana araka izany izay mety ho tohin’izao raharaha vono olona tao Tsaramandroso izao.
Malala Didier