- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona teny Soavimasoandro: Mpidoroka avy notsaboina teny Anjanamasina ilay nanindrona antsy

Vono olona teny Soavimasoandro: Mpidoroka avy notsaboina teny Anjanamasina ilay nanindrona antsy

Tovolahy  iray, 20 taona, no namoy ny ainy, vokatry ny tsindrona antsy nahazo azy ny harivan’ny alakamisy lasa teo teny Soavimasoandro. Lehilahy iray, 26 taona, mpifoka rongony ary efa nanaraka fitsaboana teny Anjanamasina no nahavanon-doza, araka ny fanazavàna azo avy tamin’ny pôlisy sy ireo mponina teny an-toerana. « Tsy fantatra intsony izy io na adala na tsia fa rehefa tsy mahita fohana dia lasa mahery setra » hoy ny renim-pianakaviana iray. Araka ny fitantaran’ireo teny an-toerana hatrany dia toa olona niaraka ihany izy ireo, na ilay mpanindrona na ilay voantsindrona. Maromaro tamin’io fotoana io, ary samy efa mamomamo. Nisy fifamaliana teo amin’izy ireo nony avy eo, izay araka ny filazan’ireo nahita hatrany dia toa resaka sigara ary io niafara tamin’ny tsindron’antsy sy vono olona io. Ny fanazavàna azo avy tamin’ny pôlisy no nahafantarana fa « telo lahy izy no niaraka nanao baolina ka rehefa vita ny baolina dia nisotrosotro izy ireo. Nisy ny fifamaliana teo amin’izy telo lahy ka voatoraka vato izy roalahy ka tezitra ary nanenjika ilay nitoraka ».  Teo no nitranga ny zava-doza satria sendra nahita antsy nipetraka teo amina latabatrin’ny mpivaro-kena iray ity noenjehina avy hatrany dia naka izany. Nandetra azy tsy tamim-pisalasalàna teny amin’ny iray tamin’ireo mpanenjika. Voa teo amin’ny kibony ity farany ary niletra hatrany amin’ny fony, araka ny filazan’ireo nanatri-maso hatrany. Nijinika ny rà. Nitangorona ny olona. Nitsoaka nankany an-tranony kosa ilay avy nahavano-doza, raha toa ka mbola nisoamaritaka tamin’ny famonjena ilay tovolahy miady aman’aina ny rehetra. Ity farany moa, na dia noezahina nentina tany amin’iny toeram-pitsaboana azy dia namoy ny ainy teny an-dalana noho ny halalin’ny fery sy ny habetsaky ny rà very. Teo vao nitanjozotra nihazo ny tranon’ilay namono ny olona ary efa nitangorona be ihany. Soa fa tonga haingana teny an-toerana ireo pôlisy avy etsy Analamahitsy. « Natao izay hevitra niarovana ny ain’ilay nahavanon-doza satria efa tomefy olona ny manodidina izay nitaky ny hamonoana azy » hoy ny fanazavàna azo. Tafavoaka tao ihany moa ity farany ary nentina nihazo avy hatrany biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, nofotorina. « Nentina nozahana fahasalamana  eny Anjanamasina moa ity farany ary mbola mitohy ihany koa ny fanadihadiana » hoy hatrany ny tatitra azo tamin’ny pôlisy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici