- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversVono olona teto Toamasina : Mpiasan’ny Jirama tratra namono ny sakaizany

Vono olona teto Toamasina : Mpiasan’ny Jirama tratra namono ny sakaizany

Tranga mpiseho ny resaka vono olona noho ny halatra, na fanendahana, na fanafihana samihafa, fa ity tranga iray ity dia noho ny resaka fahasarotam-piaro be loatra tamin’ity rangahy mpiasan’ny Jirama Toamasina, namonony ny sakaizany. Raha ny fanazavana azo tamin’ny mpitandro ny filaminana misahana ny raharaha dia ny alin’ny alahady no niady izy mivady noho ny resaka fahasarotam-piaron’ilay rangahy ihany.

Voalazan’ny mpitandro ny filaminana fa samy nisotrosotro izy mivady tamin’io fotoana io ka nodarohan’ilay rangahy ny sakaizany ka niantsipy avy eny ambony rihana misy ny tranon’izy ireo ka vaky loha raha nitontona teny ambany, satria ny lohany no nandeha aloha. Tahotry ny fitsaram-bahoaka dia tonga ny mpitandro ny filaminana naka sy nisabotra ilay rangahy, ka raha ady tsotra no nihazonana azy tamin’izay dia nivadika ho vono olona ny raharaha amin’izao, satria maty ny alatsinainy tamin’ny 08 ora maraina teny amin’ny hopitaly Morafeno ilay ramatoa. Hafa noho izany kosa ny hevitry ny fianakavian’ny maty sy ny fokonolona, satria ho azy ireo dia natsipin’ilay rangahy mpiasan’ny Jirama avy eny ambony rihana ilay ramatoa ka izao vaky loha nitarika ny fahafatesany izao nandritra ny adin’izy ireo, ka izay no saika nitarika ny fitsaram-bahoaka taminy raha tsy tonga ny polisy nisambotra azy. Mbola nahandro ny laokan’izy ireo ny hariva ilay ramatoa izao natsipy avy ambony rihana izao, hoy ny fokonolona sy ny fianakaviany.

Raha ny fanazavana azo dia sakaizan’ilay rangahy mpiasan’ny Jirama izay niterahany iray ity maty ity, fa manana zanaka roa hafa tamin’olon-kafa ilay ramatoa. Efa hitan’ny olona sy mpivarotra ao bazary be hivarotan’ilay ramatoa izy roa miady lava, izay adin’ny mpisakaiza rehetra, saingy izao vono olona izao no nanaitra ny rehetra. Efa eo am-pelatanan’ny polisy misahana ny heloka be vava ny raharaha amin’izao ka ho hita eo ny tohiny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici