Vono olona niniana natao sy efa nomanina izy iny, hoy ireo zandary miandraikitra ny famotorana tamin’ilay raharaha vono olona mahatsiravina izay niseho tetsy Sabotsy Namehana, ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana iray, manodidina ny 28 taona teo ho eo moa no hita faty tao an-trano ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Miantefa avy hatrany tany amin-drangahy vadiny avokoa ny ahiahy rehetra. Ity farany mantsy izay tsy hita tany nanjavonana intsony, ary nitondra ny zanak’izy ireo, zavavavikely 5 taona, nitsoaka. Vao mainka ihany koa manamarina izay ahiahy izay, araka ny nambaran’ireo mpanao famotorana hatrany ny antso an-tariby izay nifanaovan’ity raim-pianakaviana ity sy ny mpiara-miasa amin’ny vadiny, ny amin’ny hoe « maty novonoiko ato ny vadiko », ary ilay vola sy voninkazo natao teo akaikin’ny vatana mangatsiakan’ilay ramatoa. Na izany na tsy izany aza anefa dia mbola mipetraka ny ahiahy, ary ny fahitàna ity rangahy ity ihany no ahafantarana marina makasika ity tranga ity. Marihana fa ny talata teo no hita faty tao an-tranony ilay renim-pianakaviana. Ny zoma teo izy no efa nanomboka tsy nipoitra intsony tany am-piasana izy. Antony nahatonga ilay mpiara-miasa aminy, nandeha nijery azy tany an-tranony, ny talata, kanjo efa tranga mampivarahontsana no novantanina. Io andron’ny zoma io ihany koa no nahitàna ilay vadiny farany, raha nanatitra ny lakilen’ny trano tao amin’ny tompon-trano izy. Ny andro nahitàna ny razana ihany moa dia efa nentina natao fitiliana tany amin’ny hôpitaly ity renim-pianakaviana ity ary nomena ny havany omaly. Tsy afaka notazomina ela intsony ihany koa ny razana, ka omaly ihany dia efa nalevina araka ny fampitam-baovao azo.
m.L