Tonga namangy ireo fianakavian’ilay tovolahy namoy ny ainy, noho ny tsindron’antsy nahazo azy tetsy Soavimasoandro ny Solombavambahoakan’ny boriborintany fahadimy, Naivo Raholdina, niaraka tamin’ny Filoham-pokontany eny an-toerana sy ireo mpiara-miasa aminy. « Tsy manadino an’izy ireo velively amin’ny maha mpiara-monina indrindra amin’ny maha mpisolo-tenan’ny vahoaka azy eny amin’ny Boriborintany fahadimy azy, taorian’ny nanolorany ny rambon-damba ho an’ny maty sy fotsim-bary ho an’ny velona » hoy ny fampitam-baovao azonay. Velom-pisaorana ity solombavambahoaka ity sy ny mpiara-miasa aminy moa ireto fianakaviana nana-manjo ireto. Ary tamin’izay ihany no nanararaotan’izy ireo nitaraina sy nangataka tamin’ity tompon’andraikitra ity mba hanaraha akaiky ilay raharaha. Voalaza mantsy fa manao tsindry sy fandrahonana ny fianakavian’ilay tovolahy namono. « Mangataka ny fanjakana sy ny tompon’andraikitra rehetra toy ny fitsarana mahefa sy ny sisa ny ray aman-dreniny sy ny fianakaviany, mba hanara-maso akaiky an’io nahavanon-doza io noho ny fandrahonana ataon’ireo fianakavian’io mody adala io an’ ireo fianakavian’ny niharam-boina ». Nanamafy moa ny Solombavambahoaka, fa hanara-maso akaiky an’io toe-draharaha mampalahelo io. Ary nanolotra sy niantoka mpisolovava amin’ireo fianakaviana ireo, sao dia marina mitavozavoza tsy mahahelo ny lainga tsara lahatra ary hitondra ny hetahetan’ireo niharam-boina ireo amin’ny tompon’andraikitra voakasik’ izany. Tetsy andanin’izay dia tsy nipetra-potsiny ny teo anivon’ny fokontany, fa efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’izy ireo, toy ny fandefasana ireo adala mirenireny eny Anjanamasina sy niantso ny havan’izy ireo mba haka azy.
m.L