Accueil Faits-Divers Vono sy ratra teto Toamasina : Nametraka ny fitoriany teny amin’ny fampanoavana ilay rangahy nampijaliana

Vono sy ratra teto Toamasina : Nametraka ny fitoriany teny amin’ny fampanoavana ilay rangahy nampijaliana

Vono sy ratra teto Toamasina : Nametraka ny fitoriany teny amin’ny fampanoavana ilay rangahy nampijaliana

Ny alatsinainy 28 febroary teo no tafapetraka teo anivon’ny fampanaovana ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ny fitorian’ilay tovolahy 23 taona antsoina hoe “Donné”. Ilay taratasy teny amin’ny mpitsabo milaza ny tsy fahafahana miasa azony 21 andro noho ny daroka sy vono nahazo azy, no nentiny tamin’izany fitoriana izany satria voalaza fa saika haka an-keriny ilay tale jeneraly, izay nohamafisin’ity tale jeneraly fa nanara-dia azy ireo tamin’ny Tuc-Tuc ity tovolahy ity nandritra izany ary mpiambina tao amin’ilay tale jeneraly ny tenany teo aloha. Taorian’ny fitoriana dia namoaka didy ny fampanoavana laharana faha-568-PRT/22/VO/SEL/ZB fa omena ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena sampana misahana ny ady heloka bevava no hisahana ny famotorana sy fanadihadian’ny raharaha. Ahiana hafana ity raharaha ity eto Toamasina ato ho ato, satria raha ny vaovao azo dia ny polisy mpiambina ilay tale jeneraly no voaroiroy ao anatin’izany raharaha izany; ka manahy ny rehetra fa hisy indray ny kolikoly avo lenta amin’ity raharaha ity. Raha ny fotoana nitondrana ny fitoriana sy nivoahan’ny didy milaza ny fanadihadian’ny zandary misahana ny heloka bevava, dia teto Toamasina ilay polisy voaroiroy, ka andrasana izany ny fahatongavany sy ny fanadihadian’ny zandary azy. Ankoatra izany dia tsy re feo ny sendikan’ny polisy eto Toamasina sy nasionaly amin’ny fiarovana ity namany polisy ity.

Malala Didier

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici