- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversVonoan'olona dimy tao Behenjy : Nalefa eny Tsiafahy ireo 16 lahy voarohirohy

Vonoan’olona dimy tao Behenjy : Nalefa eny Tsiafahy ireo 16 lahy voarohirohy

Olona dimy no namoy ny ainy tao anatin’ny alina iray. Misy zazakely tamin’ireo. Tao ny voatifitra ary tao koa ny nodorana velona tao an-tranony. Izany herisetra tsy roa aman-tany izany no niainan’ny olona ny alin’ny asabotsy 20 oktobra teo. Fokontany roa dia Soamanarivo sy Antanetilava, mielanelana fito kilaometatra, no nasesin’ireo mpamono olona nandritr’izany. Mpivarotra no notafihan’ireo voalohany ary notifirina tsy nananana antra ny tompon-tsena. Rehefa vita ny fandrobàna dia nitohy tany an-toeran-kafa indray, tao Soamanarivo. Tao indray dia niniana nodorana ny trano fonenan’ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo. Sempotra tao ireo ary rehefa tsy tafavoaka dia may kila forehitra. Tsy afa-nanavotra ny olona noho ny horohoro, na izany aza anefa dia nisy nahavita ny nampandre ny zandarimaria ihany. Indroa nahazo antso ireo farany ary ny alin’iny ihany dia efa nanomboka ny fikarohana ireo mpamono olona. Nivoatra ny fanadihadiana avy amin’ny fihainoana ireo jiolahy efa azo. Tamin’ny herinandro lasa teo dia tafiakatra 16 no voasambotry ny zandary miasa eo anivon’ny Gapj. Natolotra ny fampanoavana tao Ambatolampy ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ireo heloka bevava ireo ary nanome alàlana ny mpitsara ny itazomana ireo 16 lahy ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy. Tanora avokoa ny ankamaroan’ireo voasambotra kanefa dia efa nahavita vonoan’olona, indrindra ko a amin’ny fomba tsy noeritreretina ho vitan’olombelona. Mbola.misy ny karohina amin’ity raharaha ity, raha ny fanazavan’ny zandary hatrany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici